Seriny ery ny fitondram-panjakana malagasy manao izay hahatomombana ny fandraisana ilay fivoriana faratampon’ny Frankofonia, hatao ny volana novambra ho avy izao eto amintsika.
Mahavita ny mamorona ny tsy misy sy mampirehitra tanimena mihitsy ny mpitondra mba ho amin’ny fahombiazan’izy io. Raha atao ny jery todika, hitondra inona ho an’ny firenena tokoa aloha ny fandraisana io fivoriana io ? I Madagasikara izay nivoaka niditra ihany tao anatin’ny Frankôfônia. 1970-1977 avy eo dia niverina indray tamin’ny 1989.
Mahatsara endrika ny fitondram-panjakana Hery Rajaonarimampianina eo anatrehan’ny fitondrana frantsay aloha ny fahalavorarian’io fivoriana io. I Frantsa izay toy ny pasipaoron’i Madagasikara eo anatrehan’ny mpamatsy vola sy ireo firenen-dehibe izay manana fifanarahana ara-toekarena amintsika. I Frantsa no antoka ara-politikantsika, indrindra eo amin’ny tontolon’ny toekarena raha eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ka izany no mahatonga an’i Frantsa voatonona hatrany rehefa hametraka praiminisitra na hanolo mpikambana eo anivon’ny governemanta isika. Tsy mbola matotra sy tsy matanjaka mantsy i Madagasikara ka tsy dia atokisan’ny olona raha tsy misy firenena lehibe toa an’i Frantsa mijoro ho mpiahy antsika vao matoky ny firenena mpiara-miasa.
Antony iray tsy ahafahan’i Madagasikara hiala vetivety amin’izany toerana misy azy izany koa ny maha zanatany frantsay antsika aloha voalohany indrindra. Mifono fanjanahan-tsaina mantsy izay amin’ny lafiny iray.
Antony iray koa dia ny teratany frantsay no tena maro mampiasa ny volany eto Madagasikara ka miankina be dia be amin’izay koa ny tontolon’ny ekonomian’ny firenena. Manamafy ny petra-bolan’ireo Frantsay eto Madagasikara ihany koa ny an’ireo Karana sady mizaka ny zom-pirenena frantsay no milaza ho Malagasy ihany koa.
Ireo tranga politika vitsivitsy ireo dia ampy hamaritana ny maha zava-dehibe fandraisana ny fivorian’ny Frankofonia saingy mbola eo ihany koa ny mety ho fiaraha-miasa amin’ny samy tany miteny frantsay raha tsy hiteny afa-tsy ny fifanakalozana ara-kolontsaina sy ara-panatanjahantena fotsiny ihany. Fiankinan-doha no betsaka ao anatin’izany, ary vao mainka hamatotra an’i Madagasikara izy amin’ity indray mitoraka ity, porofo io tsy ahafahantsika mikofoka manoloana ny fitakiana ireo nosy kely manodidina na “iles éparses” ireo.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.