Nihaona tamin’ny Ben’ny Tanŕnan’Antananarivo, Lalao Ravalomanana, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanŕna Analakely omaly maraina ireo iraka avy amin’ny AIMF na ny Association Internationale des Maires Francophones,
fikambanan’ireo Ben’ny tanàna amin’ny tany miteny frantsay notarihan’ny Sekretera maharitr’ity fikambanana ity, Pierre Daillet. Voaresaka tamin’izany ny hametrahana fikambanan’ireo avy amin’ny vondrom-bahoakam-paritra toy ny Kaominina, amin’ireo Firenena rehetra aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indiana an-daniny ary eto Madagasikara koa dia hananganana fikambanan’ireo avy amin’ny Vondrom-bahoakam-paritra nasionaly toy ny Kaominina, an-kilany. Amin’ ny maha Ben’ny tanànan’ny renivohitr’i Madagasikara an’i Lalao Ravalomanana, hoy i Pierre Daillet, dia anisan’ny motera amin’ny fampandehanana ireo fikambanana hajoro ireo izy na ny aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indiana na ny eto Madagasikara. Anisan’ny votoatin’ny fihaonana koa ny momba ny fihaonana an-tampon’ireo filoham-panjakana sy lehibena governemanta ao amin’ny Frankôfônia sy ny fijerena ny hahafahan’ny vondrom-bahoakam-paritra milaza ny heviny mandritra io fihaonambe io. Mampitombo hatrany ny lanja politikan-dRamatoa Lalao Ravalomanana eto amin’ny firenena ny fihaonana tahaka izao, izay fantatra fa mbola hitohy. Marihana fa tamin’ny fitondran’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana no tonga teto Madagasikara niatrika ny fivorian’ny vaomieran’ny ranomasimbe Indianina ny filoha Frantsay Jacques Chirac, ary mbola Atoa Ravalomanana ihany koa no niady mafy tamin’ny 2008 ny hanatanterahana ny fivoriamben’ny Frankôfônia teto Madagasikara ny taona 2010 saingy tsy tontosa noho ny savorovoro nitranga teto.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.