Mandeha be ny resaka tato anatin’ny 48 ora izao fa ny tanànan’i Québec any Canada indray no mety hampiantrano ny andiany faha-16 amin’ny fivoriana an-tampon’ny Frankôfônia.
Manjavozavo ny resaka, na ireo tompon’andraikitra nanontaniana aza milaza fa resaka honohono no andrenesan’izy ireo izany. Ny ofisialy, hoy izy ireo dia nanamafy ny ambasadaoro vaovaon’i Canada, Rtoa Sandra Mc Cardell, raha tonga nanolotra ny taratasy fanendrena azy hiasa eto Madagasikara ny alarobia teo, fa vonona hanampy an’i Madagasikara amin’ny fanomanana ny fandraisana io fivoriana an-tampon’ny Frankôfônia io, indrindra amin’ny lafiny fiarovana sy ny fanofanana samihafa.
Eto Madagasikara dia tsy manana afa-tsy dimy volana i Madagasikara hanamboarana ireo fotodrafitrasa heverina handraisana ny Frankôfônia na trano hivoriana na ny hampiantranoana ireo mpizaika an’arivony ho avy eto. Misy fanombohana asa tsikarika, toy ny etsy Andohatapenaka, lalana miainga eny Ivato mipaka eo Tsarasaotra-Soavimasoandro, sy ny mampifandray an’Ankasina amin’i Talatamaty mipaka hatrany Ivato, saingy mahakely finoana ihany ny hahavitan’izany ara-potoana. Ny vaovao manodidina ity Frankôfônia ity : fihinin’ny komity mpandrindra, hany ka tombantombana sy honohono no manjaka.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.