Politique

Frankôfônia 2016 Manao fanazarantena ny Malagasy


  • Alakamisy 25 Febroary 2016

Handray ny fivoriamben’ny APF na “Assemblée Parlementaire Francophone” i Madagasikara. Andiany faha-42 no hatao eto ny 8-12 jolay 2016.

 

 Io no fivoriana iraisam-pirenena, savaranonando mialoha ny hampiantranoantsika misesy ny fivorian'ny Comesa sy ny an'ny COI ary Frankofonia.

Karazana fanazarantena amin'ny handraisana ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia amin’ny novambra 2016 ny handraisantsika io fivorian’ny APF io, hoy ny Depiote Mamy Rajaonson, Prezida delegen’ny APF sampana Madagasikara, ka dia efa roso izany izao ny fanomanana azy. Nampahatsiahy ity depiote TIM ity fa efa nambaran'ny filohan'ny Repoblika Malagasy ny tsy maintsy hanaovantsika izay fomba rehetra hanatanterahana ny fihaonana ary efa misy ny hoenti-manana amin'ny handraisana izany. 

Na dia fantatra aza fa ny firenena mandray ny fihaonana no miantsoroka ny rehetra amin'izany fivoriana handraisana filohana andrim-panjakana sy filohana Antenimiera maro izany ary koa ny Sekretera Jeneralin'ny OIF, Rtoa Michaëlle Jean, dia tsy hatao olana ny fandaniam-bola satria mihoatra lavitra noho izany ny vola hiditra amintsika amin'ny fahatongavan'ireo vahiny, hoy hatrany ny depiote Mamy Rajaonson. Eo no tena hitarafana ny fitokisan'ireo firenena any ivelany antsika, hoy izy, fa efa misy ny fankatoavana matoa nisy fanekena ny handraisantsika ny fihaonambe tahaka izao. Mila finiavana avy amintsika Malagasy ny fahatanterahan'izany.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT