Politique

Frankofonia 2016 34 ireo Filoha sy lehiben’ny Governemanta andrasana


  • Alakamisy 24 Novambra 2016

Hisokatra ofisialy amin’ny sabotsy 26 novambra 2016 izao ny fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia andiany faha-16, izay tanterahina eto Madagasikara ny 22 ka hatramin’ny 27 novambra 2016. Efa nanomboka ny talata teo ny fivoriana isan-tokony.


Filoham-pirenena sy lehiben’ny governemanta miisa 34 eo no andrasana amin’io fihaonambe io. Izy ireo no hanapaka ny fanambarana iraisana ho an’ity andiany faha-16 ity sy hamaritra izay firenena hampiantrano ny andiany faha-17 an’ny Frankôfônia. Ny efa azo antoka fa ho avy aloha dia ny filoha frantsay François Hollande, ity farany izay manana fandaharam-potoana hihaona amin’ireo teratany frantsay sy ireo mizaka ny zom-pirenena frantsay eny amin’ny tranon’ny masoivoho frantsay eny Ivandry, amin’ny alahady 27 novambra ho avy io. Efa eto an-toerana, hatry ny sabotsy 19 novambra, handray anjara amin’io koa ny Mpanjakan’i Maraoka, Mohammed VI. Ity farany izay tany Antsirabe omaly, nametraka ny vatofehizoron’ny asa fanorenana hotely sy toeram-piofanana arak’asa. Vadina filoham-pirenena miisa 11 ihany koa no ho avy, hiaraka amin’ny vadiny. Hisy rahateo fivoriana iraisan'ireo vadin’ny filoham-pirenana ireo hatao ao amin’ny hotely Paon d’or eny Antanetibe Ivato, ao anatin’izao Frankôfônia 2016 izao. Minisitry ny raharaham-bahiny miisa 37 eo ihany koa no eto, mandray anjara amin’ny fivorian’ny minisitra eo anivon’ny Frankôfônia hatry ny omaly, ary hitohy anio, fivoriana tarihin’ny lehiben’ny diplaomasia Malagasy, Atallah Béatrice hamolavola ny fehin-kevitra sy fanambarana haroso hankatoavin’ireo filoham-pirenena hivory manomboka ny sabotsy sy alahady ho avy izao. Delegasiona manodidina ny 3 000 avy amin’ny firenena 78 no handray anjara amin’izao Frankôfônia 2016 eto Madagasikara izao. Efitrano miisa 3235 no efa voafandrika hitoeran’izy ireo. Fiarabe na bus miisa 71 sy minibus miisa 45 no hitatitra ireo mpizaika mivezivezy avy aty an-drenivohitra mihazo ny CCI Ivato toerana isian’ireo fivoriana samihafa, araka ny fanomezam-baovao nataon’ny Delege jeneralin’ny Frankôfônia, Rajaobelina Mamy.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT