Nandritra ny fanaterany fehezam-boninkazo teny amin’ny anjely mainty eo afovoan’ny farihin’Anosy ho fahatsiarovana ireo Malagasy maty niady ho an’i Frantsa no naneken’ny filoha Frantsay François Hollande fa tena namono sy nandripaka ny Malagasy ny Frantsay tamin’ny 1947.
Rehefa nitsoka ny rivotry ny fitakiana fahaleovantena taorian’ny ady lehibe faharoa sy taorian’ny nandraisan’ny Malagasy anjara tamin’ny ady tany ivelany teo anilan’i Frantsa dia nihetsika ny nosy iray manontolo ka nitolona ho amin’ny fahaleovantena, hoy i François Hollande. Henjana ny nanakanan’i Frantsa izany. Miondrika manoloana ireo olona an’arivony maty sy nenjehina ary nosamborina noho ny foto-kevitra nijoroan’izy ireo aho, hoy hatrany ny filoha Frantsay. Tsy niala tsiny kosa anefa izy na dia niaiky io famonoan’olona nataon’ny Frantsay teto Madagasikara io aza.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.