Efatra andro tao aorian’ny nitrangan’ny loza teny Mahamasina dia tsy mbola nahitana mangirana loatra aloha hatreto ny fikarohana
nataon’ireo mpitandro ny filaminana mikasika izay mety ho fototra na koa hoe loharano nipoiran’iny trangana fampihorohoroana izay nosokajian’ireo fianakaviam be iraisam-pirenena efa nanameloka azy iny ho avo lenta na tonga amin’ilay teny frantsay hoe « attentat » iny. Taorian’ny fisavana ny trano fonenan’i Berija ny talata lasa teo dia heverin’ireo mpanara-baovao ho tohin’ny fanadihadiana ankehitriny ny fisavana ihany koa ny trano fonenan’ireo heverina ho namana akaiky rehetra an’ity farany. Siosion-dresaka ihany koa no nahenoana fa avy ao amin’ny toby miaramila CAPSAT no nivoahan’ireo grenady. Tombantombana ihany anefa izany fa dia mbola manohy ny fanadihadiany aloha hatreto ny mpitandro ny filaminana.
J.M
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.