Politique

Fotodrafitrasa vitaina ao Toamasina Mijapy lamasinina fotsiny Rajoelina…


  • Talata 19 Martsa 2019

Mikasika ny làlana migodana na “autoroute” Antananarivo-Toamasina, dia efa vitan'ny teo aloha ny fanadihadiana sy ny fikarohana làlam-bola.

 

 

 

 Efa tamin’ny andron’i Marc Ravalomanana io tetikasa io, ary tafiditra ao anatin’io ny fanamboarana ny làlam-be migodana sy ny fanitarana ny seranantsambo. Niongana anefa ny fanjakana Ravalomanana ny taona 2009, ka niato ny tetikasa. Ny volana aprily 2018 kosa no napetraky ny fanjakana Rajaonarimampianina ny vato fehizoro amin’ny asa fanitarana, izay efa ny 25%  amin’ny asa no efa vita raha ny fanazavana teknika efa nataon’ny SPAT sy ireo teknisiana japoney avy amin’ny orinasa PENTA Ocean sy DAHIO corporation izay mifarimbona manao ny asa vao tsy ela izay. Ny famaranana ny fanamboarana ny Stadium kosa dia ny orinasa Lai heng ihany no hanao ny asa satria izy izao no mbola tompony noho ny tsy mbola nahaloavana ny volany teo aloha, raha ny loharanom-baovao iray.  Izy ihany no nanamboatra an'io izay marihina fa tsy nazava ny fifanarahana tamin’ny tetezamita tamin’izany, izay antony tsy nahavitana azy ka ny volan'ny Lai heng nanamboatra azy tsy voaloa dia nogejainy tsy azo hidirana mihitsy, hoy hatrany io loharanom-baovao io. Tokony naloa 30% arakaraka ny fandrosoan'ny asa ilay izy kanefa ny 30% voalohany ihany no vita. Asa tsy vitany tamin’ny ambom-pony tamin’ny tetezamita ireo mody tohizana noho ny fifanarahana tsy mazava nataon'ny filohan'ny tetezamita io no nahatonga ny filoha teo aloha tsy nandoa mihintsy ny vola satria tsy mety nandoa izany ny tahirimbolam-panjakana tamin’ny fanjakana Rajaonarimampianina. Re ihany koa aza izao fa manomboka manambana ireo orinasa nanao ny hopitaly manaram-penitra fa mbola amina miliara koa ny volan'izy ireo tsy voaloa tamin’ny fanamboarana ireo hopitaly manaram-penitra eran'ny nosy, raha ny resaka mivoaka hatrany. Ny fananganana foto-drafitrasa amin’ny moron-dranomasina (bord) kosa raha ny feo mandeha dia orinasa goavana iray ao amin’ny faritanin’i Toamasina no hamatsy azy fa tsy hita ireo vazaha mpamatsy vola an’ny IEM nilaza hoe hanao azy. 

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT