Politique

Force Médiane Mixte “Mila tanterahana haingana ny fihaonana an-tampony”


  • Alarobia 11 Aprily 2012

Tsy vitan’ny latsaka an-katerena intsony fa tena efa miala aina ny ankamaroan’ny Malagasy amin’izao fotoana, araka ny fahitan’ny hery afovoany na ny Force Médiane Mixte azy.

Lalina dia lalina ny fahantrana, mahazo vahana ny tsy fahampian-tsakafo, ny fikorontanan’ny asam-bahoaka amin’ny alalan’ny fitokonana samihafa fa ny tena loza dia ny tsy fandriampahalemana. Eo anatrehan’izany dia tonga ny fotoana, hoy ny Force Médiane Mixte hanatanterahana ilay fihaonana an-tampon’ireo filoha efatra mirahalahy miaraka amin’ny vondron-kery rehetra izay atao eo ambany fiahian’ny FFKM sy ny Foloalindahy miaraka amin’ny solontenan’ny firenena sy fikambanana vahiny hamaranana ao anatin’ny fotoana fohy ny krizy. Araka ny hevitry ny Force Médiane Mixte soloin’ny mpitondra teniny tena Max Fabien Andrianirina dia ny fifamelan’ireo filoha telo teo aloha sy ny filohan’ny FAT no vahaolana andrandraina hivoaka amin’izany satria efa samy nanota avokoa izy ireo.

Mitodika manokana amin’ny FFKM moa ity hery afovoany na vondron’ny elanelam-panahy ity handray ny toeran’ny mpampihavana satria izy ireo no raiamandreny nanabe ara-panahy ireo mpitondra voalaza tsy mety mihavana ireo. «Aza arianareo ny Malagasy fa tsy ho ripaka eto ve ny Malagasy raha tsy mandray ny andraikitrareo ianareo ? Matoky anefa ny tenako fa tsy ho ela dia hitsangana ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy ireo», hoy i Max Fabien Andrianirina. Nolazainy ihany koa fa tsy afa-miala amin’io ny Tafika noho izy ireo nanana andraikitra goavana tamin’ny zava-misy teto amin’ny firenena tamin’ireny 2009 ireny. «Tsy mampisaintsaina azy ireo ve ireny famonoana amin’ny fomba feno habibiana ny jeneraly mpitondra ny zandary teo aloha ireny ?», hoy ity farany nametra-panontaniana. Hitety ireo mpanao politika sy vondrona samihafa ary ny masoivoho vahiny eto amin’ny firenena ny Force Médiane Mixte amin’ity herinandro ity handresy lahatra azy ireo ny maha zava-dehibe ny fanatontosana ilay fihaonana an-tampony sy hifamela ihany koa.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT