Elaela tsy nahenoana ilay vovonana politika Force de changement na ny herin’ny fanovana, raha adika malalaka, izay nilaza fa hanetsika ny vahoaka manerana ny nosy hanehoana fa tsy azo ekena intsony izao fitondrana mijoro izao.
Araka ny fampitam-baovao azo dia efa nandeha izany fitetezam-paritra izany ary isan’ireo faritra voatety ny tao Antsirabe, Fianarantsoa sy Toliary ary Toamasina. Nisy araka izany ny fihetsiketsehana isan-karazany natao tamin’ireo toerana notsidihana ary dia efa eo am-pamaranana izany fitetezam-paritra izany ity hetsika ity. Amin’io herinandro io no heverina fa hisy ny tatitra momba izay dia natao izay sy mikasika ny tohin’ny hetsika rehetra, toy ny an’ny eto Antananarivo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.