Mbola maro no manahy amin’ny fitantanana ataon’ny fitondrana Rajoelina. Ny teo anivon’ny Antenimierandoholona moa dia mbola mangataka fanazavana amin’ny atao hoe “fonds souverains” ka nanomezana alalana hisitraka vola mitentina 200 miliara ariary.
Fomba amam-panao any amin’ireo tany an-dalam-pandrosoana izy io toa an’i Algérie, Arabie Saoudite na koa Brésil. Ireo firenena ireo dia hisitraka izay tombony ara-barotra sy vola miditra amin’ny sehatry ny akoran’afo mba hahamarin-toerana ny famatsiam-bola ho an’ ireo orinasa ao aminy. Midika izany fa miteraka tombontsoa ho an’ny toekarena. Aty Madagasikara, na entina hanaovana tetikasa na hampiasa ny volan’ny CNaPS hamatsiana tetikasam-panjakana, tsy mahafeno fepetra isika. Ny fanjakana ve dia mafy orina amin’ny fananganana “fonds souverains”? Raha eny, dia mila mahafehy ny fomba fitantanana sy fangaraharana raha tiana hahomby. Taorian’ny fahaleovantena, ny fitantanana no anisan’ny lesoka goavana teo amin’ny fitantanana raharaham-panjakana teto Madagasikara. Tafiditra amin’izany ny fitondrana Rajoelina ary mila mampitombo ezaka avo roa heny raha te hahomby .
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.