Amin’ny fomba ahoana no hilazana fa mahaleotena ireo olona afaka tamin’ny fanadinana am-bava momba ny “taranja fampihavanana Malagasy” ireo ?
Tsy vitan’izay fa notendren’ny filoham-pirenena am-perinasa ny iray ampahatelon’ny mpikambana ao amin’ny CFM io ? Na tiana na tsy tiana dia manana “valim-babena” amin’izay nanendry azy izy ireo, hoy ny CRAM (Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar). Eo dia efa mitanila sahady ny mizanan’ny “fampihavanana Malagasy” ka tsy hahomby fa maty an-karanany. Aza adinoina fa ny filoha Hery Rajaonarimampiana izay milaza ho « mpampihavana » dia tokony hampihavanina amin’ny « mpanao politika» toa an’i Andry Rajoelina aloha. Raha ny tantara taorian’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2013 no jerena dia nisy ny fifanarahana teo amin’ny mpisolo toerana sy ny filohan’ny tetezamita tsy nohajaina. Tsy fahita teto ambon’ny tany izany filoham-pirenena tsy nanana solombavam-bahoaka na iray aza no lasa manana ny maro an’isa tampoka teo eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Ireny endrika tsy fanajana ny teny nomena, ny lalàmpanorenana sy ny lalàna mifehy ny antoko politika ireny no fototra maha rava ny fihavanana amin’ny mpanao politika ka miady fo izy ireo hiverina eo amin’ny fitondrana. Teraka eo ilay antsoina hoe: “valifaty politika” ka lasa miantso “fampihavanam-pirenena” indray ilay lasa sesitany any aoriana any. Raha tsy miaraka manao sonia ny kandidà rehetra amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2018 fa “hanaiky ny voka-pifidianana, tsy hanao valifaty politika rehefa lany, hanaja ny fanjakana tan-dalàna sy tsara tantana, hiady marina amin’ny kolikoly, (…)” dia tsy maintsy hiseho indray ny korontana, hoy ny CRAM.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.