Politique

Fomba fiasan’ny depiote Alemana Mangarahara tsara, hoy ny Freedom


  • Alarobia 21 Martsa 2018

Nitatitra tamin’ny haino aman-jery ny dian’ny birao mpitantana ny antoko Freedom tany Alemaina sy Frantsa tetsy amin’ny Villa Pradon Antanimena omaly ireo delegasionin’ity antoko ity tany an-toerana.

 Araka ny nambaran’ny filohan’ny antoko, Lalatiana Rakotondrazafy dia 2 herinandro no faharetan’ny dia. Nisy ny fihaonana tamin’ireo parlemantera alemaina ary raha ny fanazavany dia mahavalalanina fa tsy mba toy ny eto amintsika ny fomba fiasan’ny depioten’ny olona. Miasa mandava-taona ny azy ny solombavambahoaka ary ny toeram-pivoriana dia fitaratra avokoa izay toy ny midika avy hatrany fa mangarahara ny zava-drehetra, hoy ny tenany. Isan’andro no anaovana ny asan’ny komisionina any. Ary azon’ny rehetra atrehina ara-bakiteny ny fivoriana itambarambe na “session plenière”. Manampahaizana mifanandrify amin’ny asa ataony koa ny depiote any an-toerana. Anton’ity dia ity moa, raha ny fanazavana, dia satria handrotsaka kandida ho depiote ny antoko Freedom ka maniry ny ananan’ny kandidany etika toy ny an’ireo antoko sosialista demokraty any amin’ny tany mandroso. Nanararaotra nihaona tamin’ireo diaspora Malagasy ka nanangana ny fikambanana Freedom tao Paris any Frantsa sy Freiburg ary Frankford any alemaina koa izy ireo.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT