Nilaza ny fahitany ny raharaham-pirenena ankehitriny indray ny filoha mpanorina ny fiangonana Apokalipsy, ny pasitera Mailhol, omaly, tetsy amin’ny foibeny etsy Isotry.
Tsy zava-baovao teto amin’ny firenena fa efa niainana tao anaty fitondrana mifanesy ny mpanohitra milaza ny mpitondra ho tsy nahavita azy. Aty amintsika dia asa ny fanaovana politika, izany hoe rehefa tsy ao anaty fitondrana izy ireo dia lasa tsy an’asa. Io toe-javatra io no antony ilana mpitondra fivavahana hitondra ny tany sy ny firenena satria ny mpitondra fivavahana rehefa hiala eo amin’ny fitondrana dia hiverina ho mpitondra fivavahana ihany. Mila miova ny fanaovana politika eto amintsika satria, raha ny zava-misy hatramin’izay dia lasan’izay nitondra hatrany ny 90%-n’ny tombontsoa ary 10% sisa no an’ny vahoaka raha misy. Raha mpitondra fivavahana no ho eo dia mino aho fa ny hifamadika amin’izany no hitranga, hoy hatrany ny fanazavany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.