Politique

Foloalindahy Saika hanao fanambarana indray


  • Zoma 26 Aogositra 2011

Afak’omaly no saika hotanterahina ny fanambarana. Rehefa nivoaka tamin’ny filankevitry ny governemanta anefa fa handray fanapahan-kevitra mety arahina fanambarana hataon’ny filohan’ny FAT amin’ny 30 aogositra izao dia nanapa-kevitra aloha ireo lohandohan’ny mpisorona eo anivon’ny foloalindahy ny hanemotra an’izany indray.

 Ny marimarina kokoa, andrasan’ireo aloha izay mety ho fanapahan-kevitra momba io 30 aogositra io vao hanambara ny heviny amin’izany izy ireo. Tsy fantatra mazava izay tena votoatin’ilay fanambarana saingy raha araka ny tsiliantsofina re avy tamin’ny loharanom-baovao akaiky ny tafika dia hanaitra ireo mpanao politika rehetra eto Madagasikara izy ireo mba hiombom-peo amin’izay ka hitondra vahaolana miaraka amin’ny fivoahana amin’ny krizy. Midika izany fa mety horaisin’ny miaramila ny fitondrana raha sanatria ka … tsy voahaja ny fangatahan’izy ireo. Amin’ny lafiny iray ihany koa dia heverina fa hilalao zavatra betsaka ny fanambaran’ny filohan’ny FAT amin’ny 30 aogositra io. Inona indray no hitranga ? Ankamantatra hatrany ny ampitso…

 

Samy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT