Lasa fihomehezana tany Antsiranana sy fanalana azy tao anaty tambajotran-tserasera facebook manerana ny nosy omaly hariva ny fahitana ny filoha Hery Rajaonarimampianina nanao “tenue de combat” tonga tany Antsiranana.
Tsy tany miady, tsy tany mihotakotaka fa dia iny ingahy filoha sy ny fanamiany nibikabika ery sady nilanjalanja loha. Fantatra avy eo fa avy nanatrika ny sarin’ady nataon’ny foloalindahy teny Tampoketsa izy ary nitodi-doha avy hatrany tany Antsiranana ka anton-diany ny hanatrika ny hetsika fanamarihana ny faha-50 taona niorenan’ny FJKM. Ekena mihitsy fa filoha faratampon’ny foloalindahy ny filoham-pirenena, araka ny lalàmpanorenana, saingy misy fotoanany ny zava-drehetra. Sa ve te haneho i Hery Rajaonarimampianina fa tena vonona ny hiady tokoa sy hampihatra ny fahefany, ka na iza na iza manadala azy eto dia hahazo ny anjarany ? Asa na fifanandrifian-javatra fa vao ny alakamisy hariva teo no nanaovana miaramila efa ho 80 lahy miaraka amin’ny basy rodorodo teny amin’ny hotely nipetrahany tao Antsiranana Atoa Marc Ravalomanana sy ramatoa vadiny ka noroahana fa hoe tsy mahazo mipetraka ao intsony fa ilain’ny filoham-pirenena mivady ny efitrano.
Milalao ny foloalindahy
Maro be ny adihevitra nandeha, saingy rehefa nahita ny fihetsiky ny filoha omaly io ny maro dia resy lahatra fa efa tena eto mihitsy ny fitondrana jadona sy tia manararao-pahefana. Iny eo ihany fa tsikaritra ihany koa hoe nisy teknikan-tserasera nataon’ingahy filoha mba hanairana ny Malagasy angamba na hanaronan-javatra no nahatonga azy nanao iny fanamiana miaramila omaly iny. Tsy takona afenina fa tena matevim-be ny fanakianana izao fitondrana HVM izao ka mba mety miezaka mafy manao izay hitany hanatsarana azy sy ny ekipany angamba ny filoham-pirenena ka ireny no hevitra tsara indrindra hitan-dry zareo. Na inona na inona anefa ambara dia zava-doza ny fampiasana ny foloalindahy amina paikady politika, tsy dia ilay fanaovana ny fanamiana no inona fa ny ao ambadik’izay. Farany dia olona novolavolain’ny Fjkm i Hery Rajaonarimampianina koa na lehibe toa inona aza ny hambom-pony sy ny fitiavany voninahitra, dia tsy mba afaka nanetry tena kely monja ve izy amin’izao fanombohana ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Fjkm izao fa dia tsy maintsy nisehoseho sy nampidera fahefana tahaka ireny. Sa izay mihitsy ilay hoe : Hery vaovao e ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.