Politique

FOKOTIM Fahavalo izay misakana ny fodian-dRavalo


  • Alatsinainy 12 Martsa 2012

Saro-piaro amin’ny fampiharana ny tondrozotra, indrindra ny andininy faha-16, 17, ary faha-20 ny FOKOTIM, na ireo mpikambana ao amin’ny Tiako i Madagasikara eny anivon’ny Fokontany, indrindra ny eto Antananarivo Renivohitra.

 Hentitra ny tenin’izy ireo tetsy amin’ny Magro ny sabotsy 10 martsa teo, tamin’ny alalan’ny mpitondra teniny, dia ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Dr Andriamaholison Jules, fa fahavalon’izy ireo izay tsy manaiky sy misakana ny fodiana an-tanindrazan’ny filoha Marc Ravalomanana, izay filoha mpanorina ny antoko Tiako i Madagasikara. Nanao rodobe namboly hazo teny Imerinkasinina izy ireo ny zoma 09 martsa teo, nanefa adidy amin’ny tanindrazana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, izay anisan’ny fototra nandrafetana ny MAP (Madagasikara AmPerinasa), izay vinam-piarahamonina nentin’ny filoha Marc Ravalomanana nampandrosoana an’i Madagasikara sady hanatrarana ny tanjon’ny taona arivo fahatelo. Ambentin-teny teny Imerinkasinina ny zoma ary nohamafisin’ireo mpandaha-teny tao amin’ny Magro ny sabotsy teo ny hanamafisana hatrany ny firaisankina amin’izao dingana farany hiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana izao, izay tafiditra amin’ny fanatanterahana ny tondrozotra.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT