Politique

Fokontany Anosizato atsinanana II Nitombo ireo nisoratra anarana anaty lisi-pifidianana


  • Talata 16 Janoary 2018

Nitombo isa ireo olona voasoratra anarana anaty lisi-pifidianana ho an’ny fokontany Anosizato Atsinanana II,

 

 kaominina Antananarivo Renivohitra. Raha 4.000 isa mantsy  izany teo aloha dia efa mahatratra 5.396 ankehitriny  vokatry ny ezaka nataon’ny fokontany. Anisan’izany raha araka ny fanazavan-dRakotomanga, sefom-pokontany ao an-toerana ny fametahana peta-drindrina hiantsoana ny mponina mba hanatona ny fokontany hanamarina ny anarany arahin’ny  fidinana ifotony isaky ny elakela-trano mihitsy hampahafantarana ny tsirairay ny zony. Mbola hitohy hatrany ny ezaka. Mbola manana 15 andro mantsy ny rehetra hahafahana manatona ny fokontany  misy azy, hahazoany mandray anjara feno amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena hotanterahina amin’ity taona 2018 ity. Ho an’ny fokontany Anosizato Atsinanana I dia nitombo 10 % ihany koa ireo olona voasoratra anarana anaty lisi-pifidianana. Ireo tanora vao feno 18 taona no tena nampitombo io isa io raha somary maivamaivana izany tamin’ny efa-taona lasa.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT