Misy mpanam-bola teratany karana, mpandraharaha manana ny maha izy azy eto Madagasikara ary manana anarana fantatry ny rehetra tsara te handrava ny tanànan’Androhibe.
Raha eo anatrehan’ny lalàna anefa dia efa nomen’ny fanjakana an’ny Synodam-paritany an’Antananarivo ny kianja malalaka Androhibe izay akaikin’ity tanàna ity. Efa nahazo alalana ihany koa ny FLM Androhibe Finoana ny hanangana trano fiangonana saingy noho ny fitsivalanan’ny andian’olona eo an-toerana dia voatery naato ny fanamboarana. Re anefa izao fa mampiasa olona izay monina ao Androhibe ihany ity mpanefoefo karana ity handresena lahatra ireo mponina eny an-toerana mba hiala amin’ny toerana io ka handraisany ny tany. Hanamboaran-dalana hiditra amina tany hohajariana tsy lavitra eo no antony ilan’ity karana ity io toerana io, araka ny angom-baovao natao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.