Tsy nankatoavin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena velively ny fanapahan-kevitra nandeha irery nataon’ny FAT. Anisan’ireny ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalŕmpanorenana nataony ny 17 desambra 2010.
Teo amin’ny tantaran’i Madagasikara, hoy i Manandafy Rakotonirina, mpitarika ny antoko MFM, dia tsy mbola nisy resabe toa iny fitsapan-kevi-bahoaka iny. Tsy nanao resabe momba ny tsy nahazoan’io lalàmpanorenana io fankatoavana
Mila finiavana politika marina ny famahana ny krizy eto amintsika. Tsy mazava ny tena votoatin’ilay sori-dalana novolavolain’ny Dr Simao, hoy ny foibe MFM ary ny fampiharana azy dia manome toerana toa mpanjaka an’i Andry Rajoelina. Tokony hifototra amin’ny fiarovana ny zon’olombelona sy ny fampiroboroboana ny fombafomba ara-demokratika ny fikarohana vahaolana, hoy ity antoko ity. Anisan’ny soso-kevitr’ity antokon’i Manandafy Rakotonirina ity ny fananganana tetezamita tsy mitanila ary tenierana. Tsy fanitarana fotsiny ihany fa fanorenana vaovao mihitsy no hatao amin’ireo andrim-panjakana isan-tokony mba hisian’ny fitoniana. Ao anatin’izany ny fametrahana ilay antsoina hoe ‘Praesidium’ ka ireo lanim-bahoaka no ao anatiny, izany hoe ireo filoham-pirenena telo lany tamin’ny fifidianana (Ratsiraka Didier, Zafy Albert ary Ravalomanana Marc) sy ingahy Andry Rajoelina izay lany ho Ben’ny tanànan’Antananarivo tamin’ny fotoanandrony. Izy ireo no hanendry sy hiantoka ireo ho mpikambana eo anivon’ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita.
Avy amin’ireo Parlemanta ireo no hakana izay ho praiminisitra. Io governemantan’ny fampiraisam-pirenena io no manana ny fahefam-panjakana feno hahazoany mamita ny iraka hampanaovina azy dia ny fanomanana ny fifidianana hiarahany miasa amin’ny CENI. Mba ho fifidianana tena malalaka, mangaraharaha ary ekena sy hatokisan’ny rehetra no ho tanteraka. Hapetraka ihany koa ny Komitin’ny fampihavanam-pirenena sy ireo rafitra hafa toa ny CENI, ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Heverin’ny foibe MFM fa tokony homena tantsoroka ara-teknika sy ara-bola ny FFKM mba hahatomombana ny asa andrasana aminy dia hampiroboroboana ny resaka demokrasia. Araka ny fanazavan’ny Foibe MFM mantsy dia ny FFKM ihany aloha hatreto no fikambanana tsy miankina manana rantsana manerana ny Nosy ary afaka misolo tena ny fiarahamonim-pirenena, ka afaka hanara-maso ny fifidianana. Andrasana kosa anefa izay mety ho fiaraha-miasa sy ny fizaran’andraikitra eo amin’ny FFKM sy ny Cnosc hitondrana ny asa rehetra
.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.