Politique

Fodian’ny filoha Ravalomanana Tokony hilaza mazava ny heviny ny mpitondra


  • Alarobia 30 Jolay 2014

Efa fotoana fodian’ny filoha teo aloha Ravalomanana ve izao sa tsia ? Tsy mitombina intsony io fomba fijery io amin’ireo sokajin’olona maromaro nametrahana ny fanontaniana. Ny antony lehibe dia satria fandaniam-potoana tsy mitondra tombontsoan’ny firenena ny adihevitra miompana amin’ny olona iray

Na izany na tsy izany kosa anefa dia miombon-kevitra ireo nanontaniana fa tsy rariny velively ny fanakanana olom-pirenena iray tsy hiverina an-tanindrazana na mivantana io na an-kolaka. Mahita ihany koa ireto sokajin’olona ireto fa anjaran’ny mpitondra fanjakana ara-dalàna ny milaza mazava ny heviny mikasika ity raharaha mampifanolana ny mpanao politika Malagasy ity. Amin’ireto olom-pirenena ireto rahateo dia tsy ilaina izany fampihavanam-pirenena izany fa ny fampihavanana ireo mpanao politika tsy mitovy fomba fijery ka nifanongana teo amin’ny fitantanana ny firenena tao anatin’ny 50 taona mahery niverenan’ny fahaleovantena no tsara homasahana. Tsy ho tanteraka anefa izany raha tsy mibaboka amin’ny vahoaka Malagasy aloha ny fianakaviamben’ny mpanao politika nanapotika ny firenena. Finiavana sy fahavononana kosa no takiana amin’ireo milaza ho tompon’andraikitra eto Madagasikara, hoy ireto sokajin’olona nanontaniana ireto.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT