Politique

Fodian’ny Filoha Ravalomanana Dingana ihany fa ny fandaniana azy no tanjona


  • Talata 20 Septambra 2011

Aza matahotra ny vavan’ny sasany isika mpitolona, hoy i Tabera Randriamanantsoa omaly tao amin’ny Magro Behoririka fa “tsy higadra izany Ravalomanana”.

 Rehefa tonga ny fihaonan’ireo filohan’ny Ankolafy hoy izy, dia homentsika daholo ireo dosie fiampangana an-dRajoelina, hitenenantsika fa olona toy izao ve no hitondra an’i Madagasikara ? Nampanantena i Tabera fa ho avy ao Behoririka ny Pr Zafy rahampitso alarobia hanazava izany. Zava-dehibe no hasehony amin’io, hoy ny fanamafisana nataon’i Zafilahy Stanislas. Dingana ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana, hoy izy, fa tsy tanjona. Ny fandaniana azy ho filoham-pirenena no tena tanjona, hoy i Guy Roger. Misy milaza, hoy ity farany, fa misy miaramila vonona haka ny Filoha Marc Ravalomanana any Afrika Atsimo, fa azo idirana fotsiny angaha ny tanin’ny olona, hoy izy manontany. Ralaiseheno Guy Maxime sy Pasitera Edouard Tsarahame kosa tetsy ankilan’izay dia nampahatsiahy fa “tsy mpanohitra intsony isika izao fa mpitondra ihany koa”.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT