Hankalaza ny tsingerintaona faha-54 niverenan’ny fahaleovantena i Madagasikara afaka iray volana eo. Miasa saina ny mpitondra ankehitriny, kisary toy inona indray no hitranga eo amin’ny Kianjaben’i Mahamasina amin’ny 26 jona ?
Raha ny resaka mandeha dia tsy te hanin-droa ny zava-nitranga tamin’ny 25 janoary 2014, nanaovan’i Hery Rajaonarimampianina fianianana nandraisany fahefana feno maha filoham-pirenena azy ny tandapa. Nangadihady ny «Gradin» teo Mahamasina tamin’io andro io, tranga tsy mbola niseho tamin’ny tantaran’ny fandraisam-pahefana teto Madagasikara, na tamin’ny fomba demokratika na fanonganam-panjakana. Manahy ny mpitondra fa vao mainka ho ratsy noho iny tamin’ny 25 janoary no hitranga vokatry ny disadisa naharitra teo amin’ny HVM sy ny Mapar, nanomboka tamin’ny fanendrena praiminisitra nitohy tamin’ny fifidianana Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena nanilihana an-dRtoa Christine Razanamahasoa teo amin’ny toeran’ny filohan’ity andrim-panjakana mpanao lalàna ity. Resy lahatra ny mpitondra fa any amin’ny ankolafy Ravalomanana ny lakile. Araka ny loharanom-baovao dia misy ankehitriny ny fandinihana ny hamelana an’i Marc Ravalomanana hiverina malalaka eto Madagasikara mialoha ny 26 jona. Raha tanteraka izay dia ho azo antoka fa ho feno hipoka ny kianjaben’i Mahamasina amin’ny 26 jona, hanehoan’ny Malagasy ny hafaliany ary hoporofoina ihany koa amin’izay fa tsy am-bava intsony ny fampihavanam-pirenena fa tena izy. Hanam-piniavana sa mbola hanao andraso andraso ny mpitondra ? Eo isika mahita izy !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.