Miolakolana tsy tena manana valin-teny mazava ireo mpitondra ankehitriny rehefa anontaniana hoe : efa milamina ve ny tany sy ny fanjakana ? Marin-toerana ve izao fitondrana izao ? Mampieritreritra ihany izany satria na ireo mitantana aza izany tsy tena manana antoka mazava ny amin’ny fisian’ny fitoniana eto.
Sa ve ezahana apetraka ao anatin’ny sain’ny olona mihitsy fa tsy milamina ny tany amin’izay afaka manao izay tiany sy mifehy ny fahafahan’ny hafa ny mpitondra. Dia mba aiza ho aiza moa izao ny momba ny fanokafana ny Kianjan’ny demokraisa, ny fanokafana ireo haino aman-jery nakatona, ny fodian’ireo sesitany politika ? Re fa mitohy ny fifampidinihana amin’ny fiverenana an-tanindrazan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Fa inona foana moa no nodinihana momba ity resaka ity efa ho roa taona sy tapany izao, hatramin’ny nanasoniavana ny tondrorozotra ? Moa ve tsy efa fitondram-panjakana mahefa no misy eto ? Maro mantsy ny mihevitra fa tena mety fampiesonana fotsiny indray no ataon’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ! Tsy ny vahoaka Malagasy mihitsy mantsy no manakana ny fodian’Atoa Ravalomanana fa vondron’olom-bitsy, manam-bola ary tena te hifehy ny toekaren’ity Madagasikara ity. Mazava ho azy fa tsy maintsy ao ambadik’ireto olom-bitsy ireto ny mpanjanatany fahiny. Atahoran’izy ireo mafy i Dada hoe tafody eto ka hamelona indray ny orinasa Tiko. Izay ny lafiny ara-toekarena fa tena mbola atahorana mafy ihany koa eo amin’ny sehatra politika ity filoha teo aloha ity satria fantatry ny mpitondra sy ny mpanao politika fa tena mbola mamy hoditra amin’ny Malagasy izany Marc Ravalomanana izany. Fahatelo, tsy azo odian-tsy hita fa misy ireo mody milaza fa miasa mafy hampody an’i Dada kanefa tena ny mifanohitra amin’izay aza no ataon’izy ireo. Ka inona ary no tena marina ? Ahoana ny tena hevitry ny filoham-pirenena am-perinasa ? Tompon’ny fanapahan-kevitra marina ve izy sa tsy maintsy miera any ambadimbadika any vao hanaiky na handà mazava tsara ny fodian’ny sesitany ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.