Politique

Fodian’i Lalao Ravalomanana Izay baikon’ny SGP no tanterahin’ny PAF ?


  • Alakamisy 07 Martsa 2013

Mivoatra isan’andro isan’ora ny vaovao mikasika ny fodian-dRtoa Lalao Ravalomanana hitsabo ny reniny marary ary tsaboina amin’ny hopitaly tsy miankina iray eto an-drenivohitra efa iray volana izao.

 Tapaka teo anivon’ny filankevitry ny governemanta teo fa hisy fivoriana manokana hiarahana amin’ny OMC handinihana ny resaka fiarovana manodidina ity fodian’ny vadin’ny filoha teo aloha ity. Etsy ankilan’izay anefa dia mandeha be indray koa ny feo eny Ivato eny fa dia misy hatrany ny teny midina avy any amin’ny manampahefana ambony, mankeny amin’ireo mpitandro ny filaminana eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny. Voalazan’ny loharanom-baovao mihitsy aza fa hoe : izay baikon’ny Sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny tetezamita (SGP) ihany (hono) no tanterahin’ny Polisy miadidy ny sisintany (PAF) eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ? Mahakasika ny fahatongavan-dRamatoa Lalao Ravalomanana izy io.

Mbola io loharanom-baovao io no manamarika fa mety hiverina indray ny zava-nitranga tamin’ny 27 jolay 2012, izany hoe hiditra anaty fiaramanidina ihany ka hanainga any Afrika Atsimo Rtoa Lalao Ravalomanana, saingy vantany vao midina eo Ivato dia haverina (amin-kery) atsofoka anaty fiaramanidina hafa, handao an’i Madagasikara indray. Totoafo ny antso an-taribin’ny polisin’ny PAF teny Ivato, miandry baiko sy toromarika, tamin’io 27 jolay 2012 io.

Raha mitombina izany rehetra izany dia mazava ny resaka fa kabary fotsiny no nataon’ny filohan’ny tetezamita mba hampitoniana ny sain’ny olona angamba, fa raha ny tena marina dia tsy misy fahavononana hamela malalaka ny vadin’ny filoha teo aloha ho avy eto Madagasikara izany avy amin’ny ao Ambohitsorohitra. Ny praiminisitra sy ny minisitra maro anefa dia efa manaiky io fahatongavan’i Lalao Ravalomanana io, eny fa na dia ireo mpanao politika tsy ankolafy Ravalomanana aza. Ka inona moa izany fa dia tsy niova mihitsy i Andry Rajoelina sy ny mpiara-miasa akaiky aminy fa tena mieritreritra hoe : izy ireo irery no tompon’ny fahefana sy tompon’ity Madagasikara ity, ka izay tiany no atao ary tsy maintsy miera aminy vao afaka manao zavatra. Raha nekena tany am-piandohana ary tsy nasiana resabe anefa ity fahatongavan’i Lalao Ravalomanana ity dia efa nilamina tsara sy tsy mitatra tahaka izao. Ny fihetsiky ny filohan’ny tetezamita sy ny ekipany ihany no toa mamadika ho politika ilay resaka, ka raha izao no mitohy dia mety tena hivadika zavatra hafa ho sarotra alamina ity resaka ity. Tena ho hafahafa ihany mantsy ny mety ho tohin’ny raharaha raha toa ka efa tonga eny Ivato Rtoa Lalao Ravalomanana ka horoahina indray.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT