Tsy mbola niteny mazava ny tena heviny momba ny fodian-dRamatoa Lalao Ravalomanana hatramin’izao ny filohan’ny tetezamita, izany hoe : sady tsy nanaiky izy no tsy nanda koa.
Efa manaiky ny praiminisitra, ireo minisitra misahana ny filaminana, ny minisitry ny fitaterana, ny governemanta amin’ny ankapobeny, saingy nomen’izy ireo an’i Andry Rajoelina ny fanapahana farany amin’ny maha filoham-panjakana azy. Raha ny tena marina izany dia hevitra tapahana mandritra ny filankevitry ny minisitra izy ity, tahaka ireny hoe : baiko na toromarika avy amin’ny filohan’ny tetezamita ireny, saingy tsy nisy resaka ny momba izany tamin’ny alarobia lasa teo. Tsara homarihana mantsy fa ny talata no atao eny Mahazoarivo ny filankevitry ny governemanta tarihan’ny praiminisitra, misy ny tolo-kevitra na fanapahan-kevitra raisina ao, saingy ny ampitso alarobia mandritra ny filankevitry ny minisitra atao eny Iavoloha na Ambohitsorohitra vao tena ankatoavina na tsia izany. Tsy raikitra anefa ny filankevitry ny minisitra ny alarobia lasa teo. Zara aza nisy ilay fihaonambe faha-9 ny vovonana fanaraha-maso ny asam-panjakana aty Afrika izay nahatongavana minisitra afrikanina vitsivitsy teto Antananarivo nanakonana azy.
Midika izany fa miantona daholo aloha ny fanapahan-kevitra tokony ho noraisina satria tsy nisy ny fandinihana azy tao anatin’ny filankevitry ny minisitra. Asa raha fifanandrifian-javatra ihany izany na tena niniana natao mihitsy. Raha ny tena izy izany dia miandry amin’ny fotoana manaraka indray ny fandinihana ity fodian’i Lalao Ravalomanana ity raha tsy hoe manapa-kevitra tampoka mialoha izay i Andry Rajoelina. Maro no mihevitra fa zaran’ny filohan’ny tetezamita aza nisy ireto delegasiona afrikanina ireto mba hialana bala tsy hitarihana ny filankevitry ny minisitra. Mety tsy te hanapa-kevitra momba ity fodian’ny vadin’ny filoha teo aloha ity koa izy ka ny miala bala sy ny mody fanina aloha no tena politikany hatreto. Tsy io raharaha io ihany anefa fa tokony ho nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra io koa, na dia fombafomba ihany aza, ny tetiandrom-pifidianana navoakan’ny CENI-T sy ny Firenena Mikambana farany teo, izay mampihemotra ny fifidianana ho amin’ny jolay 2013. Asa koa na noho ny filazan’ilay minisitry ny raharaham-bahiny tanzanianina tonga teto ny talata teo fa mbola dinihina ny tetiandrom-pifidianana iny, dia zaran’ny filohan’ny tetezamita aza tsy mbola nankatoavina tao amin’ny filankevitry ny minisitra indray ilay tetiandro efa tapaka, na dia fantatra aza fa tsy hiverina amin’izay tapaka ny CENIT ary tsy manana fahefana hitsabaka amin’izany rahateo na SADC na Troika, satria efa ny Firenena Mikambana no mandray an-tanana io raharaha io.
Hiova daholo
Ireo mpandinika ny raharaha politika anefa dia mahita fa sarotra ny fanapahan-kevitra ka izay no mampihodinkodina ny filohan’ny tetezamita io. Raha handa avy hatrany ny fodian’i Lalao Ravalomanana tokony hijery an-dreniny marary mafy izy dia tahaka ny hoe tsy mba manana fo mitempo, tsy natera-behivavy ary tsy mivaky loha amin’ny resaka maha olona sy ny zon’olombelona. Tena hanaratsy endrika azy izany. Raha manaiky indray anefa izy dia mety manahy fa sao hiditra tsimoramora amin’ny politika amin’izay Rtoa Lalao Ravalomanana, ka izay vao ho raharaha ary ho simba daholo ny kajy rehetra. Mahafantatra tsara mantsy ny ankolafy Rajoelina fa mbola tena mahazaka olona izany anarana hoe : Ravalomanana izany ka na Marc io na Lalao dia mitovy ihany. Mety hiova daholo ny zava-drehetra amin’izay ary na ny sasany amin’ireo kandida aza dia mety hivadika hanohana an’i Madama. Inoana fa efa mandinika tsara izany tranga rehetra izany i Andry Rajoelina sy ny ekipany ka izay no mahatonga azy tsy mbola milaza ny heviny sy miala bala io.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.