Mampametra-panontaniana ny maro ny hoe : hanaiky ny fidiran-dRamatoa Lalao Ravalomanana eto ihany ny filohan’ny tetezamita ka inona ny antony niandrasana roa herinandro taorian’ny fangatahana ? Tsotra angamba ny valiny, ary samy mahatakatra tsara izany ny mpanara-baovao politika.
Mailo i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-miasa aminy ka navelan’izy ireo ho dila tsara aloha ny datin’ny 24 febroary vao nekena ny fahafahan’ny vadin’ny filoha teo aloha miditra eto Madagasikara hitsabo an-dreniny. Raha tafiditra teto Madagasikara mialohan’io 24 febroary io mantsy Rtoa Lalao Ravalomanana dia nahafeno ilay fepetra hoe : tsy maintsy monina eto Madagasikara enim-bolana mialohan’ny fifidianana ny kandida. Raha tsorina izany ny resaka izao dia efa tsy mahafeno intsony ny fepetra ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho tanterahana amin’ny 24 jolay Rtoa Lalao Ravalomanana.
Efa nandeha mantsy ny resaka hatramin’ny herintaona fa mety Rtoa vadiny no ho kandida raha toa ka tsy afaka mirotsaka Atoa Marc Ravalomanana, ary vao maika niha nahoraka io resaka io taorian’ny nivoahan’ny «ni…ni», sy noho ny fahafantaran’ny maro fa olona tena itokisany no tsy maintsy hotendren’i Marc Ravalomanana fa kandida hisolo azy. Raha izay no masontsivana dia tsy misy maharesy an’i Madama ireo rehetra ao anatin’ny ankolafy Ravalomanana. Tsy hoe mpanao politika be Rtoa Lalao Ravalomanana, saingy kosa maharaka tsara ny resaka fitantanana firenena, ny fiatrehana ireo olana sy sakana maro samihafa sy ny fifandraisana iraisam-pirenena satria teo anilan’i Marc Ravalomanana foana izy tamin’ireo zava-drehetra nataony. Milaza ho saro-piaro amin’ny maha olona sy ny tsy tokony hampifangaroana ny aretin’ny ray aman-dreny amin’ny politika i Andry Rajoelina, kanefa izy indrindra no mampifilafila sy mampiandry olona tokony hikarakara marary, noho ny kajikajy politika.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.