Manararaotra ny fahanginan’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ireo sokajin’olona milaza fa ny fanagejana ny pasipaoron’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana no tsy ahafahany mody an-tanindrazana, hoy ny minisitra Razafitrimo Lala Arisoa.
Tsy sakana mihitsy ny tsy fananana pasipaoro eo am-pelatanana fa misy ireo fomba sy fepetra hafa azo hamahana izany. Nanamarika ity minisitra ity fa efa nisy ny fifampiresahana teo amin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy i Marc Ravalomanana ary efa milamina ny momba izany. “Misy antony hafa ao matoa tsy mbola mody izy”, hoy ny tenany. Manamarina izany ny nandefasan’ny masoivoho afrikanina tatsimo fangatahana an-tsoratra fifanampiana amin’ny fijerena akaiky ity raharaha mahakasika ity filoha teo aloha ity. Nandritra ny fotoana fizarana nofon-kena mitam-pihavanana teo amin’ireo mpiasan’ny minisitera sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny Malagasy omaly teny Anosy moa no nitondrany ity fanazavana ity. Vary 5 kilao miampy vantotr’akoho iray no natolotra ireo mpiasa 260 izay tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Fetim-pirenena Malagasy ny 26 jona ho avy izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.