Miditra amin’ny andro fahatelo anio ny hetsika ara-toekarena ASIA-OI. Andiany voalohany izy ity, ary ry zareo Sinoa no hita fa mavitrika amin’ny fandraisana anjara.
Ny tsikaritra dia manao tazan-davitra ireo mpitondra HVM, samy tsy mbola tazana teny amin’ny Forello Tanjombato na ny filoha Rajaonarimampianina na ny Praiminisitra Ravelonarivo Jean, nefa samy mihirahira ny fiantsoana ireo mpandraharaha vahiny ho avy eto rehefa mivoaka any ivelany any. Nony tonga indray izy ireo, toa mihafahafa. Sa noho ity hetsika ity mifanontona amin’ny mampahoraka ny trafikan’andramena tratra any Singapour no mampihazohazo azo ireo sao misy mampifandray an’ireo resaka ireo indray sa noho izy ireo lany andro manao sarin’ady politika ho fiarovan-tseza eran’ny tanàna ka tsy manam-potoana na ho fampirisihina ireo mpandraharaha tsy miankina, sahy tonga eto ao anatin’izao vanim-potoana mampitsingevaheva ny resaka politika eto Madagasikara eto izao. Ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana no nifanotofan’ny mpandray anjara amin’ny ASIA-OI sy ny mpitsidika raha tonga teny Tanjombato omaly. Mpandraharaha ny tenany, vao avy nitsidika tany Azia farany teo mahafantatra tsara iny faritra iny, raha tsy hiresaka afa-tsy ny fiaraha-miasa tamin’ny Sinoa tamin’ny fanamboarana ireo aron’akanjo sy “kits scolaires” ho an’ny mpianatra fony izy teo amin’ny fitondrana. Toy izany koa ry zareo Indoneziana amin’ny fambolena vary sy fiompiana trondro.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.