Politique

Florent Rakotoarisoa – Ruffine Tsiranana Vaky ny ady


  • Zoma 17 Febroary 2012

Raha samy mandeha samy mitady Ambohitsorohitra sy Mahazoarivo amin'ny fitantanana ny fanjakana, dia vaky ambatolampy koa izao ny tsy fitovian-kevitra eo amin'ny samy mpikambana ao amin'ny governemanta Beriziky.

 Sarotim-boninahitra sy Sarotim-pahefana ny minisitry ny atitany, Florent Rakotoarisoa (Les AS) ary dia niantsoany mpanao gazety ny ambarany fa fisandoham-pahefana sa andraikitra ataon'ny minisitry ny fanapariaham-pahefana, ny administratera sivily Ruffine Tsiranana (ankolafy Ravalomanana) tamin'ny nanendren'ity farany PDS amina Kaominina efatra any amin'ny Faritra Sofia any, dia Antsohihy, Befotaka Nord, Ambaliha ary Andreba. Mitety ireo Kaominina ireo mametraka ireo PDS notendreny ireo ny minisitra Ruffine amin'izao fotoana. Nanangam-bovona i Florent Rakotoarisoa fa tsy ara-dalàna ka dia hidina hanala ireo olona napetraka ireo ny tenany rehefa avy nitanisa andinin-dalàna samihafa.

Efa nampoizina io fifangaroam-pahefana io. Ny fanontaniana mipetraka tokoa mantsy dia hoe raha ekena fa vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny Kaominina dia lojika raha manam-pahefana mikasika amin'ny mpitondra eny ny ministeran'ny fitsinjaram-pahefana ary dia mitombina tsara ny maha mpanara-maso, manao ilay "contrôle de légalité" ataon'ny Distrika, izay rantsamanagaikan’ny ministeran'ny atitany, amin'ireo fanapahana raisina eny anivon'ny Kaominina. Koa mba hafahafa ihany raha sady hanendry PDS ny ministeran'ny atitany no izy koa no hanara-maso ny fitantanana sy ny fanapahan-kevitra raisiny. Inona no hangarahara amin’izany ? Hentitra ny minisitry ny atitany, Florent Rakotoarisoa amin'ny fampanarahan-dalàna manoloana ity raharaha any Sofia ity. Rariny ny azy, izy rahateo mpitsara, fa mipetraka aminy kosa ny fanontaniana hoe : inona no mba andraikitra noraisiny manoloana ny raharaha Manakara ?

Fantany mazava fa nandresy teny anivon'ny Filankevi-panjakana (Conseil d'Etat) ny Ben'ny tanàna voafidim-bahoaka tamin’ny 12 desambra 2007, Andriano Giscard, ary tokony hiverina handray ny asany amin'ny maha Ben'ny tanànan'i Manakara azy. Misy PDS notendren-dry zareo anefa mibodo toerana ao ary dia jeren'ny Minisitry ny atitany fotsiny. Any Fandriana (Amoron'i Mania) koa dia naaton'ny mpanolotsaina tamin'ny toerany ny Ben'ny tanàna tao. Inona no andraikitra noraisin'ny ministeran'ny atitany eo anatrehan'izany satria dia mikatso ny raharahan'ny Kaominina. Sa amin'ny maha minisitra avy amin'ny ankolafy Ravalomanana an'i Ruffine Tsiranana dia dradradradraina, tratry ny aza manelingelina !

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT