Politique

Fleury Rakotomalala Tokony ho tonga saina ny vahoaka Malagasy


  • Zoma 24 Mey 2013

Teny fampieritreretana ny Malagasy rehetra no nataon’ny kandida Fleury Rakotomalala nandritra ny hetsika nokarakarain’ny antoko MIAMI tany Ambatondrazaka omaly.

 Nambarany fa ahodinkodin’ny mpanao politika ny fiainam-pirenena ka zary tratry ny sangodim-panaina ny vahoaka. Fa maninona, hoy izy no mpanao politika foana no manakorontana firenena? Mpandraharaha ny tenako hoy i Fleury Rakotomalala ary vao roa volana izay vao niditra tamin’ny sehatra politika. Milaza ho manana fandaharan’asa hampandrosoana ny tantsaha moa ity kandida atolotry ny antoko MIAMI ity ary any amin’ny fampielezan-kevitra no hamoahan-dry zareo azy. Nisy ny dinik’asa niarahany tamin’ny mpitondra taksi-moto sy taksi-bisikileta izay nangatahan’ireto farany famatsiam-bola ho azy ireo.

Namaly azy ireo i Fleury Rakotomalala fa “tsy mividy safidy izahay”. Somary nahakivy ireo taksi-bisikileta sy taksi-moto io valin-teniny io ka niafara tamin’ny fifamaliana ny resaka. Tsapa fa nisy lesoka teo amin’ny fandaminana ny fahatongavan’ity kandida ity ka tsy mahagaga raha niafara tamin-dromoromo ny dinidinika izay nataony. Ny tsikaritra aloha dia nahafaly ny mponina Alaotra ny fampisehoana maimaimpoana niarahana tamin’ireo mpanakanto efa ho enina samy hafa. Tafita any amin’ny vahoaka ve anefa ny hafatra nampitaina? Ny latsabato ihany no hamaly izay.

Niry A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT