Politique

Fleury Rakotomalala Miantso ny Malagasy higrevy….


  • Zoma 06 Desambra 2019

“Ndao !!! Sabotsy 7 desambra amin’ny 11 ora eny amin’ny arabe akaiky antsika no fotoana. Ento ny vilany, ny bidons jaunes, ary ny banderoles hanehoantsika fa tsy faly isika. Ampy izay !”.

 

 

Io no fanentanana hita eo amin’ny rindrin’ny kandida ho filoham-pirenena teo aloha izay lasa monina atsy Frantsa ankehitriny, Fleury Rakotomalala. Fehezanteny vitsivitsy hita ho mifono zavatra maro ary heverina fa misy hifandraisany ihany koa amin’ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena hatramin’ny nialany teto an-tanindrazana mandrak’ankehitriny. Ora vitsivitsy taorian’ity fanentanana ity dia efa maro sahady ireo fanehoan-kevitra hita tao amin’ny pejy fesibokin’ity mpanao politika izay mamoaka famakafakana sy fanehoan-kevitra isan’andro amin’ny pejiny ity. Tao ny nankasitraka ary tao koa anefa ireo nanome tsiny fa ny hita nisongadina aloha dia taratra ho mahatsapa ireo maneho hevitra fa misy toe-javatra efa tsy zaka sy mampila hitroatra tokoa eto amin’ny firenena, indrindra, taorian’ireo fifidianana 3 nifanesy izay nahabe fitarainana ho feno hosoka sy hala-bato. Teo koa ny fiakaran’ny vidim-piainana, ny olan’ny jiro sy rano tsy mety voavaha, ny olan’ny solika sy ny hafa rehetra. Izay angamba no dikan’ilay “vilany” sy “bidons jaunes” mila avoaka mba entina hanehoana ihany koa fa marary ny aty vilanin’ny vahoaka ary fijaliana vao afaka mahazo rano.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT