Nanao fanambarana miaraka omaly ny fiombonamben’ireo fiarahamonim-pirenena na ny OSCs izay mivondrona ao anatin’ny hetsika Rohy sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy dia ny Transparency international sy ny sehatra tsy miankina Ivorary.
Mba hisian’ny fifidianana demokratika amin’ny taona 2018 moa no anton’ity fanambarana ity ka singa goavana indrindra tsipahin’izy ireo amin’izany ny mbola fikitihana ny lalàmpanorenana ihany amin’izao fotoana fohy tsy hahatongavana ny fifidianana izao. Ekena tokoa, hoy izy ireo, fa be ny lesoka ao anaty lalàmpanorenana saingy ny andininy voalaza hokitihana kosa dia manome vahana an-kolaka ny mpitondra sy tsy hanelingelina azy ireo amin’ny fifidianana. Raharaham-pirenena ny fifidianana fa tsy an’ny mpitondra irery ary raha mikasa ny hanome vahana ny eny amin’ny fokontany koa izy dia azo amboarina any anaty lalàna tsotra izany. Mifampitohy tamin’ilay fanambaran-dry zareo avy eo anivon’ny fikambanana Jery lavitra ho an’I Madagasikara na ny JLM, izay nilaza fa aleo vita ny lalao vao manova fitsipika ihany moa ity nambaran’ireo fiarahamonim-pirenena ity rehefa tena nozohiana.
Manohitra daholo
Ny mpanohana ny fitondrana ihany sisa no manohana io fikitihana ny lalàmpanorenana io, hoy ny OSCs satria efa samy mahita ny rehetra fa tsy azo atao an-kamehana izany. Nanamarika moa ny avy eo anivon’ny rohy fa an’arivony izy ireo ary mahatoky fa hendry ny mpitondra ka tsy hikiribiby amina zavatra efa hita fa hiteraka krizy vaovao. Fikambanana miisa 75 no ao anatin’ny rohy ary miampy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Nilaza izy ireo fa hisy ny fepetra horaisina raha toa ka miziriziry ny fitondrana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.