Politique

FIZAFATO Roa ireo kandida hiatrika ny fifidianana


  • Alatsinainy 31 Jolay 2017

Roa ireo kandida hiatrika ny fifidianana izay ho filohan’ny fikambanana FIZAFATO ny 6 aogositra ho avy izao etsy amin’ny Compelexe scolaire Ampefiloha.

Atoa Maharante Jean de Dieu sy Atoa Andriamanarivo Berkeley no kandika hifaninana, kandida roa hany vonona handray anjara amin’ny fifidianana sy nahafeno ny fepetra rehetra notakian’ny komity misahana ny fifidianana. Omaly alahady 30 jolay tamin’ny 6 ora maraina no nanomboka ny fampielezan-kevitra raha tamin’ny sabotsy dia efa azo noraisina ny taratasim-pifidianana. Ny sabotsy 5 aogositra amin’ny 6 ora hariva vao hifarana ny propagandy. Miantso ireo mpikambana rehetra eo anivon’ny FIZAFATO ny komitim-pifidianana mba samy ho avy haneho ny heviny amin’io daty io. Tafiditra ao ireo mpikambana ao amin’ny Faritra Anosy, Androy, Bara, Mahafaly, Atsimo Andrefana ary Menabe ho tombontsoan’ny fikambanana. Tsiahivina moa fa efa nahemotra ny zoma 28 jolay lasa teo ny farafanaterana ny taratasy filatsahan-kofidiana raha efa nanomboka ny 20 jolay.

 Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT