Zoma izao no mifarana ny fivoriana tsy ara-potoana eny amin’ny antenimieram-pirenena. Ilay momba ny volavolan-dalàna fehizoro momban’ny fifidianana no tena nandrasan’ny Malagasy saingy toa mbola tsy tonga eny akory izany.
Araka izany dia hitombo indray ny andro hivoriana tsy ara-potoana satria ny votoatin’ny fiantsoana dia ny resaka fifidianana kanefa tsy teo am-pelatanana izany. Fanekena famatsiam-bola ny ankamaroan’ny lalàna nisongadina sy maika nolaniana tao. Hitombo hanaraka izany ihany koa ny vola laniana amin’ity fivoriana ity nohon’ny tsy fahamatorana. 192 000 Ar ny an’ny filohan’ny Antenimiera, 150 000Ar ny an’ny birao maharitra ary 124 000 Ar ny an’ny solom-bavam-bahoaka araka ny didim-pitondrana laharana 2014-259 izay mametra ny vola omena azy ireo amin’ny fivoriana tahaka itony. Ankoatr’izay 3 500 000 Ar ny karaman’ny depiote amin’ny fivoriana parlemantera. Tafakatra hatrany amin’ny 5 294 000 Ar miaraka amin’ny indemnités ny karama azon’ny depiote araka izany rehefa sendra fivoriana parlemantera tahaka itony. Izany no vola mivoaka kanefa dia iniana hitarina indray ity fivoriana ity. Ny fahasahiranan’ny Malagasy anefa efa iaraha-mahita ary miaina fahantrana mangitsokitsoka ny vahoaka. Toa izay metimety amin’ny mpitondra ihany no ataony eto ary manao izay tiana atao mihitsy izy ireo manampatra fahefana.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.