Politique

Fivoriana tsy ara-potoanan’ny Depiote Malagasy Any amin’ny governemanta ny baolina, hoy ny kestora Guy Rivo


  • Zoma 09 Febroary 2018

Mba eritreritra niserana fotsiny ny nilazan’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Jean Max Rakotomamonjy tamin’ny fotoam-pamaranana ny fivoriana ara-potoana faharoan’ity rafi-panjakana ity farany, hoy ny kestora faha-3 eo anivon’ity Antenimieram-pirenena ity, Guy Rivo Randrianarisoa raha nanontaniana ny amin’izay mety hisiana na tsia an’io fivoriana io izy omaly.

  Any amin’ny governemanta tanteraka ny fiantsoana an’izany fivoriana izany na tsia, hoy izy, ary dia izy ireo ihany koa no mamolavola ny volavolan-dalàna mifandraika amin’ny lalàm-pifidianana handrasana ny maro sy izay mety ho volavolan-dalàna hanitsiana ny lalàmpanorenana kasain’ny fitondram-panjakana hotanterahina atsy ho atsy. Rehefa tsy hisy moa ireo dia mazava ho azy fa any amin’ny fivoriana ara-potoana voalohany amin’ity taona 2018 ity mifankahita ny depioten’i Madagasikara sy ny volavolan-dalàna handrasana.

 

Ntsoavina Evariste


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT