Politique

Fivoriana tsy ara-potoana eny Tsimbazaza Miroso mankany amin’ny fivoriana iray hafa


  • Alakamisy 01 Martsa 2018

Lany teo anivon’ny Antenimieram-pirenena tamin’ny fivoriambe azon’ny besinimaro natrehina, notarihan’ny Filohany, Jean Max Rakotomamonjy, ny fandaharam-potoana iasany manomboka ny alatsinainy 26 febroary 2018 ka hatramin’ny 5 martsa 2018.

Anio alakamisy 1 martsa tontolo andro dia hodinihina amin’ny asam-baomiera ireo volavolan-dalàna miisa 6 hatolotra holanian’ireo depiote amin’ny fivoriana hitambarambe rahampitso zoma maraina. Ny volavolan-dalàna 2 dia ny n°015/2017 du 13 juin 2017 sur le recouvrement et l’affectation d’avoirs illicites sy ny volavolan-dalàna n°054/2017 du 28 décembre 2017 sur la lute contre le BLANCHIMENT DE CAPITAUX ET LE FINANCEMENT DU TERRORISME no tsy handraisana fanapahan-kevitra eny Tsimbazaza. Amin’ny alatsinainy 5 martsa ho avy izao no hisy ny fivorian’ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena manaraka nefa azo inoana fa tsy dia hisy fandaharana vaovao ho voavolavola amin’izany satria samy hamonjy ny fankalazana ny 8 martsa andron’ny vehivavy any amin’ny misy azy avy ireo solombavambahoaka. Azo eritreretina fa tsy maintsy hisy indray fiantsoana fivoriana tsy ara-potoana faharoa handinihana ny lalàna mikasika ny fifidianana izay fototry ny fiantsoana ny fivoriana tsy ara-potoana voalohany.

 

Ntsoavina Evariste              


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT