Politique

Fivoriana tsy ara-potoan’ny Parlemanta Hanenjana ny ankolafy Ravalomanana


  • Zoma 06 Janoary 2012

“Tokony hiala Rajoelina satria tsy hainy ary tsy vitany ny mitondra firenena”, hoy Randrianjatovo Henri, mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita.

 Hivory manomboka ny alatsinainy 09 janoary izao, ary haharitra 12 andro, ny Parlemantan’ny tetezamita. Araka ny fanazavan’ny CST Randrianjatovo Henri dia hanomboka eo ny ady raha toa ka tsy hampiharina izay voalazan’ny sori-dalana. “Tsy hita izay fampiharana ny sori-dalana kanefa ny resaka CENI sy lalam-pifidianana no tadiavina hirosoana”, hoy ihany izy. “Manomboka eto izay vao hahita ny Zanak’i Dada ireo. Tsy hisy zavatra vanona sy hatao eto raha tsy miverina Ravalomanana, mivoaka ny gadra politika ary mivoha avokoa ireo haino aman-jery nakatona izay vao hifampiresaka sy hifampidinika. “Tsy hanaiky izany CENI izany izahay fa tanteraho aloha ny sori-dalana izay efa navadika ho lalàna”, hoy kosa i Manoela nanamafy, mpikambana ao amin’ny Kongresy rahateo ny tenany. Tetsy andaniny, manoloana ireo olana eto amin’ny firenena raha tsy hiteny afa tsy ny raharaha Toliara izay namoizana ain’olona dia miandry izay fandraisan’andraikitr’i Andry Rajoelina, araka ny ambetin-teniny mandrakariva, i Guy Maxime Ralaiseheno.

Eo ny fitokonan’ny mpitsara izay tsy voavaha, eo koa ny an’ny Inspection Générale de l’Etat izay mitokona tsy ahitam-bahaolana. Mitaky fandraisan’andraikitra avokoa ireny, hoy ity Ben’ny tanàna teo aloha ity. Ankoatra izay dia notsipihin’i Guy Maxime Ralaiseheno ihany koa ny momba ny fanoloana ireo ao anatin’ny vaomiera manokana misahana ny fanadihadiana eo anivon’ny zandary. Novaina ny mpitarika eo anivon’ny vaomiera miandraikitra ny famotorana ireo miaramila voarohirohy amin’ny raharaha politika kanefa raha ny voarakitra amin’ny andininy faha-16 ao anatin’ilay sori-dalana dia tokony hitsahatra avokoa ny fanenjehana ara-pitsarana rehetra, anisan’ireny ny raharaha BANI. Manoloana izany indrindra dia fanontaniana no apetrak’ity mpikambana eo anivon’ny CT raha toa ka hamaha sa hampitombo ny krizy no tena tiana hatao eto amin’ny firenena. “Rehefa tsy sahy handray andraikitra fa tsy mahavita azy dia aleo miala”, hoy izy.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT