Mitentina 750 tapitrisa ariary ny tetibola hanatanterahana fivoriana tsy ara-potoan’ny antenimieram-pirenena sy antenimierandoholona nanomboka ny omaly talata ka haharitra 12 andro ity.
Fandaniana hita hoe mihoapampana ihany raha oharina amin’ny fahasahiranan’ny Malagasy ankehitriny. Efa nanana 2 volana nivoriana anefa mialoha izao ny depiote sy ny senatera izay efa nandaniam-bolam-bahoaka ihany koa saingy tsy nahavitana asa misongadina. Volavolan-dalàna tena goavana ary iankinan’ny fandrindrana ny fiainam-pirenena anefa izao dinihana anaty fivoriana tsy ara-potoana izao toy ny volavolan-dalàna momba ny fampihavanam-pirenena sy ny fehezan-dalàna momba ny fifandraisana. Fa eo ihany koa ny mahakasika ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana sy ny fanovana ny fomba fahazoana ny zom-pirenena Malagasy. Tsy izahay no kamo miasa fa ny volavolan-dalàna avy any amin’ny governemanta mihitsy no tara fahatongavana, hoy ireo depiote izay nanontaniana. Ireo mpanaraka vaovao poliitka ihany koa dia mahatakatra tsara fa misy tetika hafa io fibosesehan’ny volavolan-dalàna tonga eny Tsimbazaza amin’ny ora farany io satria raha maimaika ny hirava sy hody ireo depiote dia “raima sy valo” araka ny fomba fiteny dia lany ilay volavolan-dalàna izay efa narafitry ny fanjakana ho metimety aminy. Tsy misy firy intsony ny adihevitra ary manjaka ny demokrasian’ny maro an’isa tsy azo ivalozana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.