Araka ny fanazavan’ny loholona avy eo anivon’ny antoko Tiako i Madagasikara, Fernand Jeannot
, tetsy amin’ny lapa maitson’Anosy omaly dia nahazo fiantsoana fivoriana ny loholona rehetra ny alatsinainy teo fa misy zava-dehibe hotapahina teny an-toerana. Rehefa tonga teny anefa dia lasa fivorian’ny vondrona parlemantera HVM sy ny GPP indray no tao fa nalefa nody ny antoko hafa. Midika tsy fahamatorana sy manambara fa tsy milamina ny ao amin’ny Senat ny zava-misy toy ny omaly, hoy izy. Raha nanontaniana ny heviny moa ny filoha Honoré Rakotomanana dia nilaza fa tsy nisy ny fiovana hatreto manoloana ny fanontaniana tamin’ny fifidianana ho filoha lefitry ny antemierandoholona hisolotena an’i Mahajanga. Nanazava kosa ny loholona HVM, Kolo Roger fa ho fanatsarana ny fiainam-bahoaka sy ny hisian’ny filaminana hatrany no anton’ny fivoriana omaly. Misafotofoto tanteraka, araka izany, ny zava-misy eo anivon’ity antenimiera ity tao anatin’ny 2 andro monja nandraisan’ny filohan’ny antoko HVM, Rivo Rakotovao ny toerana maha loholona azy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.