Politique

Fivorian’ny SADC tany Luanda Nanamafy ny tapaka tao Afrika Atsimo


  • Zoma 19 Aogositra 2011

Nifarana omaly tao Luanda renivohitr’i Angola rehefa naharitra roa andro, ny 17 sy 18 aogositra, ny fihaonambe faha-31 nataon’ireo filoham-pirenena eo anivon’ny SADC.

 Saika tany amin’ny resaka toekarena no niompanan’ny dinika, fa dia nosafosafoina kimaimaika mba tsy hilazana fa nangina ny fandinihana ireo olana sy krizy tsy mety mivaha amin’ireo firenena mikambana eo anivon’ity vondrom-paritra ity, dia ny raharaha Zimbabwe sy Madagasikara. Amin’ny fotoana manaraka indray izany ! Na izany aza dia nanamafy ireo fanapahan-kevitra efa noraisina tamin’ireo fihaonana teo aloha, indrindra ny tao Johannesburg tamin’ny volana jona 2011 teo ny mpivory. Mikasika an’i Madagasikara manokana dia, nionona tamin’ny fanamafisana ny fanohanana ny ezaka ataon’ny ekipa mpanelanelana amin’ny krizy eto, ireo filoham-pirenena nivory tany Luanda. Ny filoha Angoley, José Eduardo dos Santos, izay hitarika ny SADC mandritra ny herintaona, indray moa dia vaky vava, fa «mikatso ny raharaha». Mahakasika ilay resaka fodian’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana tsy misy fepetra, araka ny fanapahan-kevitry ny SADC tao Sandton Afrika Atsimo ka hanitsiana ilay sori-dalana mialoha ny hanaovan-tsonia azy, izy ity.

Efa tsinjon’ny Dr Leonardo Simao mialoha ve fa tsy hisy zavatra mivaingana mahakasika an’i Madagasikara tany Angola, ka izay no tsy nandehanany tany, fa nivantanany avy hatrany taty Antananarivo ? Raha izay mantsy no izy dia azo lazaina fa tsy nahavita ny andraikiny ny ekipa mpanelanelana fa milalao asa. Ny taratasin’i Joaquim Chissano tamin’ny 09 aogositra, nalefany tamin’ireo vondrona politika voaasa tamin’ny dinika tany Gaborone, mantsy dia manoritra mazava fa taorian’ny nitondrana ka nampahafantarany ny asa vitan’izy ireo amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara, tamin’ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana dia misy fankan-kevitra nanirahana an’ny Dr Tomaz Salomao, Sekterera mpanatanteraky ny SADC, amin’ireo filoham-pirenena eo anivon’ity vondrom-paritra ity, toy izany koa ny Vaomiera Afrikana, ny Fianakaviambe iraisam-pirenena, ary ny FAT, mba hamaritana ny daty hanaovan-tsonia ilay sori-dalana.

Mazava izao fa tsy tontosan’ny Dr Salomao talohan’ity fivoriana tany Luanda ity izany, ka tsy mahagaga raha nirava mangingina tsy nisy fanapahan-kevitra mazava mikasika an’i Madagasikara tany, raha nandrandrain’ny maro fa farafaharatsiny ho fantatra nandritra iny fihaonambe faha-31 nifarana omaly tany Luanda iny ny toerana sy ny daty hanaovan-tsonia ny sori-dalana, sy ireo handray anjara sy hanotrona an’izany. Tetsy andaniny dia nisy koa ny antotan-taratasy vaovao, 36 pejy, nalefan’Atoa Marc Ravalomanana any amin’ny SADC nialoha iny fihaonana iny, ka mety mitaky fotoana ny fandinihana izany indrindra amin’ny fandrafetana ilay sori-dalana farany, ka mahatonga ny raharaha Madagasikara hodinihina amin’ny fotoana manaraka. Ny zava-dehibe aloha dia mitazona ary manamafy izay efa tapaka teo aloha, indrindra ny tatsy Afrika Atsimo, ireo filoham-pirenena nivory tany Luanda Angola ireto. Andrasana araka izany izay endrik’ilay sori-dalana farany. Tsy ho amin’ity volana ity koa aloha izany ny fanaovan-tsonia azy io. Inona no hitranga eto mandram-pisy vahaolana mazava sy raikitra ? Hiroso ve ka handray andraikitra ireo mpanelanelana Malagasy nipoitra tao ho ato, ka hanao izay hampanjary amin’izay ity hoe fiaraha-midiniky ny samy Malagasy ity, hitadiavam-bahaolana hivoahana amin’izao krizy izao ? Mandrampaha anefa dia eo ihany indray aloha izany ny FAT !

 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT