Hisokatra anio 8 jolay eny amin’ny «Centre de Conférence International» Ivato ny fivoriana andiany faha-42 an’ny «Assemblée Parlementaire Francophone» ahitana firenena mpikambana 83 ary hifarana ny talata 12 jolay.
Tafiditra amin’ny fanomanan’i Madagasikara ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia hotanterahana ny volana novambra eto amintsika ity fihaonan’ireo parlemantera miteny ampahany na manontolo ny fiteny frantsay ity. Lohahevitra misongadina hodinihan’ireo fahefana roa mpanatanteraka sy mpanao lalàna moa ny hoe «Fihariana ifampizarana sy fampandrosoana tompon’andrakitra : ireo fepetra fametrahana fitoniana manerantany sy ny tontolon’ny frankofona». Efa vonona tanteraka amin’ny fampiantranoana io fivoriana iraisampirenena ahitana mpandray anjara maherin’ny 300 io ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza, hoy ny filohany Rakotomamonjy Jean Max, herinandro vitsy lasa izay. Misahana ireo asa parlemantera fotsiny ny andraikitry ny Antenimierampirenena, araka ny fanazavan’ny depiote Rajaonson Maminiriana anisan’ny komity mpikarakara. Anjaran’ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny delegasionina jeneralin’ny Frankofonia kosa no tompo-marika amin’ny fikarakarana rehetra toy ny toerana fandraisam-bahiny sy fisakafoanana. Nanokanana tetibola 1,3 miliara Ariary moa ny APF andiany faha-42, araka ny angom-baovao natao.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.