Nofoanana fa matahotra tsy ho lany ny kandida tohanany
Maro amin’ny vahoaka mpanara-baovao ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania no gaga sy valalanina raha nandre ny filazana fialan-tsiny nambara tamin’ny haino aman-jery tao Ambositra fa tsy raikitra indray ilay fivorian’ny mpitolona ny taona 2009 saika hatao tao Ambositra ny sabotsy 11 mey sy alahady 12 mey lasa teo.
Fivoriana izay nokonokonon’ny Lehiben’ny Faritra Amoron’i Mania, Maminirina Josoa Eugène sy ny PDS Fianarantsoa, Pety Rakotoniaina. Nofoanana mihintsy ity fivoriana saika hamoriana ny mpitolona ity taorian’ny fanapahan-kevitra tsy nisy nanam-po nataon’ny filohan’ny tetezamita Atoa Andry Rajoelina hilatsaka hofidiana iny indray. Teo vao samy nahatsikaritra ny mpanara-baovao sy ny mpanao pôlitika ao Ambositra fa tsy matotra ilay fihaonana sady misy ambadika pôlitika. Araka ny nambaran’ny CT Rakotomandimby Désiré teto amin’ny gazety Tia Tanindrazana taorian’ny fandaharana Savaravina tao amin’ny Radio Nasionaly Malagasy nataon’izy mirahalahy ireto ka nanankianany izao hetsika izao dia mitombina tokoa ny vinavina fa fanohanana kandida iray nirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena no toa ambadik’ilay fivoriana saika hatao.
Fantatry ny mponina ao Amoron’i Mania sy Matsiatra Ambony rahateo ny zava-bitan’ireto mpitarika ireto ka tsy mahagaga loatra raha tsy raikitra ilay fihaonana. Ilay firotsahan-kofidian’i Andry Rajoelina mihintsy no nanafoana ilay fivoriana, hoy ireo nanaovana fanadihadiana satria raha tsy nirotsaka izy dia tonga tany Ambositra niatrika ilay fivoriana io kandida tohanan’ny Lehiben’ny Faritra rehetra sy ny PDS Fianarantsoa io ka saika lasa fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana no niseho tao. Maro ny mpanara-baovao ao Amoron’i Mania no efa naminavina fa tsy ho lany io kandida tohanan’ny mpikarakara io n’inona n’inona fomba hataony hambaboana ny fon’ny vahoaka satria izao sahady dia nandiso fanantenana.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.