Politique

Fivorian’ny mpamatsy vola tany Paris Tsy misy tombontsoa ho an’ny vahoaka, hoy ny Aro Riaka


  • Alakamisy 08 Desambra 2016

Mbola trosa ihany fa tsy omena fotsiny ilay famatsiam-bola nampanantenain’ireo mpamatsy vola nivory tany Paris ny fiandohan’ny herinandro teo sady tsy misy tombontsoa ho an’ny vahoaka Malagasy velively, hoy Rakotonirina Odon, filohan’ny Antoko Aro Riaka.

Hanaporofo izany ny tsy fahazoan’ny Malagasy io famatsiam-bola io ankoatra ireo mpandraharaha frantsay toa an’ny Filatex, ny groupe Telma, tranga izay  nambarany fa efa tsy mahagaga intsony eto amintsika. Tanjon’ny Frantsay amin’ny fanatanterahana izany ny mba hahafahany mamahatra amin’ireo tany nozanahany toa antsika eto Madagasikara hahafahany manakona ny fahalemeny. Nambaran’ity filohan’ny antoko Aro Riaka ity hatrany moa fa diso ny filazana fa hitondra fitoniana ara-politika eto amintsika ny fahatongavan’io vola io. Mbola betsaka ny fepetra takiana toy ny hoe : tsy maintsy frantsay no hitantana ny orinasa…Mikasika ny nosy Malagasy izay mbola hotakian’ity antoko iray ity hatrany moa dia nambarany fa fotoana tokony ho nitakiana izany tamin’ny filoha Frantsay Fançois Hollande ny fandraisantsika ny frankofonia farany teo saingy tsy nataon’ny filoha ankehitriny izany  na dia efa fantany aza fa tsy hilatsaka hofidiana intsony ity filoham-pirenena Frantsay ity.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT