Politique

Fivorian’ny miaramila teny Iavoloha Mandry ny resaka, tsy misy Ravalo mahazo miditra eto !


  • Alakamisy 22 Septambra 2011

Omaly maraina nialohan’ny nahatongavan’ny filohan’ny FAT teny ampitan’ny Cenam dia mbola nandray ireo manamboninahitra jeneraly sy kolonely lehiben’ny toby sy mitana andraikitra ambony eo anivon’ny foloalindahy izy, teny Iavoloha.

 Mandry ny resaka teny ary nifanaiky ny andaniny sy ny ankilany fa tsy miverina eto ny filoha Ravalomanana Marc. Nivoaka tamin’izany mihitsy ny fanomezan-tokin’ny jeneraly zandary iray fa izy no hanao ny paikady hisamborana azy eny Ivato raha toa ka miverina an-tanindrazana ny filoha. Niara-nanaiky io fanapahan-kevitra io ireo izay nivory teny an-toerana saingy nisy tamin’izy ireo no nilaza fa tsy naneho hevitra satria kabary tsy valina no nisy teny. Nisy ihany koa mantsy ireo Chef de corps avy any amin’ny faritany nanatrika ity fivoriana ity. Raha izao zava-misy izao dia fantatra fa matahotra mafy ny filoha Ravalomanana Marc mihitsy ireto FAT ireto.

Fantatra ihany koa anefa fa misy ireo miaramila izay mitana ny heviny ny amin’ny tokony hiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana sy ny filoha Didier Ratsiraka eto an-tanindrazana mba ahafahana mamarana ny krizy miaraka. Tsy misy tsy mahatsikaritra mantsy fa tsy tafavoakan’ny filohan’ny FAT samirery mihitsy ity raharaha eto an-tanindrazana ity. Tokony ho fantany koa fa matoa mivoaka ho fanta-bahoaka ny tsiambaratelon’ny miaramila, toy ny nitranga tamin’ity resaka didy fampisamborana ny filoha Ravalomanana ity, dia ao raha ! Ny ampitso anefa no hitsara ny tsirairay ka ho hita eo izay tena fahavalom-bahoaka ka mitarika izao fahoriam-bahoaka an-taonany maro sy ny asan-jiolahy mirongatra izao.

 

Mohamed

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT