Politique

Fivorian’ny Frankofonia Manonofy i Rivo Rakotovao ?


  • Alakamisy 21 Janoary 2016

Tafiditra ao anatin’ny fikarakarana ny fandraisana ny fivorian’ny frankofonia amin’ny volana novambra dia mikasa ny hamboatra lalŕna vaovao ny fanjakana malagasy.

 

 Mifanipaka toy ny valala an-karona ny fanambarana ataon’ ny Minisitry ny fanajariana ny tany Rivo Rakotovao sy andriamatoa Rajaobelina Mamy, mpitarika ny komity mpikarakara ny fandraisana ny fivorian’ny frankofonia amin’ny volana novambra ho avy izao. Nandritra ny fitsidihan’ireo delegasion’ny OIF nijery ny fizotry ny fikarakarana ny fanomanana ny fivorian’ny frankofonia dia nibaboka ny minisitra Rakotovao Rivo fa tsy ho vita ara-potoana mihitsy ny fametrahana trano fandraisam-bahiny akaikin’ny efitrano fivoriana, izany hoe akaikin’ ny CCI Ivato. Mba ho famahana ny olana ary dia apetraka amin’ireo trano fandraisam-bahiny efa misy ireo mpandray anjara amin’ny fivoriana fa ny lalana hampitohy ny renivohitra sy ny CCI Ivato no hoforonina sy hasiam-panamboarana, hoy hatrany ny minisitry ny fanajariana ny tany. Tetikasa izay toa ohatra ny nofinofy ihany satria na ny vola hamitana an-tsakany sy an-davany ny trano foiben’ny frankofonia etsy Andohatapenaka aza tsy ampy koa aiza indray no hanamboaran-dalana ? Ny solontenan’ny OIF izay tonga eto amintsika anefa dia manamafy fa tsy hanampy ara-bola an’i Madagasikara. Izy ireo izay miahiahy fatratra ny amin’ny fikarakarana ny amin’ity fivoriana ity. Ho an’andriamatoa Rajaobelina Mamy kosa dia mizotra soa aman-tsara ny fikarakarana ny fahitany azy ary disoiny tanteraka ny filazana fa tsy ho tomombana ny fandraisana an’io fivoriana io .


Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT