Politique

Fivorian’ny frankôfônia Io ary fa nahemotra


  • Zoma 12 Febroary 2016

Ny herinandro lasa teo no efa voalaza tao amin’ny fampahalalam-baovao nasionaly tamin’ny teny frantsay tamin’ny teny fohy ny fanemorana herinandro ny datin’ny fandraisana ny fivorian’ny frankofonia hatao ny volana novambra izao eto Madagasikara.

 

 Na dia niezaka ihany moa naka fanampim-baovao ny mpanao gazety maro dia tsy nisy nahazo fanamarinana mandra-pivoakan’ny fanapahan-kevitra nandritra ny filankevitry ny minisitra farany teo fa dia hahemotra herinandro tokoa ity fivorian’ny tany miteny amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay ity. Ny antony nambara moa dia ny hoe maro loatra ireo filoham-panjakana izay tokony hanatrika io fivoriana io no mbola ho any amin’ny fivoriana manan-danja hafa ka tsy ho afaka hamonjy ny fihaonana ara-potoana.

Tsy vonona

Mahagaga ary tsy mampino ny mihevitra  fa fivoriana efa nomanina tamin’ny 2014 na ny fikarakarana na ny daty no mbola hifanindry tampoka amina fivoriana hafa indray raha tsy hoe angaha fivoriana maika sy tsy nampoizina. Tsy misy aloha izay tranga izay hatreto. Ka inona no sakana tsy ahafahana manaja ny fotoan’ny fivorian’ny frankofonia ? Sao dia zavatra hafa no mahatonga izao tsy fahamarinam-potoana izao fa afenina ? Midika inona moa izany izao fanemorana herinandro ny fivorian’ny frankofonia izao ? Manolona ny fahasahiranana mianjady amin’ny firenena dia efa naha be resaka sy nampalaina ny maro ny fandraisana ity fivoriana ity. Tsy maintsy hiteraka fandaniana ny fikarakarana sy ny fanomanana azy kanefa ny zavatra maika sy ilana vola sy vonjimaika tsy tambo isaina eto amin’ny firenena. Raha fehezina, tsy tokony ho laharam-pahamehana ny fandraisana io fivoriana io na dia ekena aza fa mety hahitana tombontsoa ara-politika. Ny taona 2010 dia efa saika handray ity fivoriana ity i Madagasikara saingy noho ny toe-draharaha politika nisy teto dia voatery nafindra toerana. Naha ratsy endrika an’i Madagasikara teo anivon’ny fianakaviamben’ny frankofonia iny toe-javatra iny. Ankehitriny anefa dia hahemotra herinandro indray ny fihaonana amin’ity taona 2016. Iza no mahita raha hiafara amin’ny fanafoanana ny fanemorana. Ireo fotodrafitrasa tafiditra amin’ny fandraisana ity fivoriana ity rahateo dia maro no tsy vita na ny birao foibe na ireo lalana vaovao nampanantenaina. Na misy aza ny asa efa natomboka, sarotra no inoana fa ho vita araka ny tokony ho izy sy hahafeno ny fepetra ireo afaka 8 volana. Sao dia ho longoa mitoto bozaka e ?


Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT