Politique

Fivorian’ny Frankôfônia Hosomparan’ireo terôrista koa ?


  • Sabotsy 16 Jolay 2016

Manahirana be mihitsy ny manaraka ny asa fampihorohoroana ataon’ireo silamo mahery fihetsika tato ho ato. Saika lasibatra hatrany ny firenena Amerikanina sy Frantsay.

 Tamin’ny fankalazana ny fetim-pirenena Amerikanina ny 04 jolay teo izao dia nisy ny fipoahana nitranga tany akaikin’ny masoivoho Amerikanina tany Arabia Saodita. Ity indray fankalazana ny fetim-pirenena Frantsay  dia nisy an’iny fiarabe nirifatra ka namono olona maherin’ny 80 tany frantsa iny. Nihorohoro foana ny tao Frantsa tao nanomboka tamin’ny 13 novambra 2015  izay nisian’ilay baomba nipoaka sy tifitra variraraka nahafatesana olona marobe tao Paris. Tamin’iny Euro 2016 iny koa moa dia efa maro ihany ireo mpampihorohoro nikasa hanao ny asany no voasambotry ny mpitandro ny filaminana Frantsay. Araka izany dia saika ireo fotoan-dehibe manan-tantara eo amin’ireo firenena roa ireo hatrany no ipoiran-doza. Ao anatin’ireo delegasionina an’arivony ho avy eto Antananarivo  hanatrika ny fihaonamben’ny frankofonia ny filoham-pirenena Frantsay ka dia izay indrindra no antony hipetrahan’ny ahiahy hoe : sanatria efa santatr’asa fampihorohoroana mifandraika amin’io fihaonambe io ve ireo izay nitranga tany amin’ny faritra maro toa an’i Beroroha sy Nosy be ary ny teto an-drenivohitra ? Hatreto aloha dia tena ahiana mihitsy hipaka hatraty amintsika amin’ny volana novambra ny asan’ireo Jihadista mpampihorohoro raha tsy mametraka paikady sy mandray ny andraikiny dieny izao ireo mpitandro ny filaminana fa tsy hoe rehefa misy vazaha tonga toy ny tamin’ny fihaonan’ny parlemantera Frantsay teo ihany vao mikorapaka  eran’ny tanàna.

Faralahimatoa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT