Tsy olana mahakasika ny tany miteny ampahany na manontolo ny teny frantsay ihany ny vokatry ny asa fampihorohoroana fa tena loza mitatao ho an’ny firenen-drehetra,
hoy ramatoa Michaelle Jean, sekretera jeneralin’ny OIF (organisation internationale de la Francophonie) izay tonga mitsidika an’i Madagasikara ankehitriny. Mijery ny fizotry ny fandraisana ny fivoriana izay hatao eto amintsika amin’ny volana novambra ho avy izao ny tenany ka nambarany omaly fa tena hojerena akaiky ny momba ny fandriampahalemana sy ny fiarovana ny ain’ireo solontenam-panjakana avy amin’ireo firenena 80 mpandray anjara amin’ny fivoriana. « Hiasa mafy ny karazana sampam-pitsikilovana sy ny mpaka vaovao rehetra ahafantarana ny hatrany amin’ny antsipirihany indrindra. Mino koa aho fa efa mandray ny andraikitra tandrify azy ny mpitandro ny filaminana malagasy fa ny zava-dehibe dia hiara-misalahy isika ho amin’ny fahombiazan’ity fivoriana an-tampony ity », hoy ramatoa Michaelle Jean.
Eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana dia nambarany fa hiompana tanteraka amin’ny fampandrosoana sy ny fampivelarana ny maha olona ny fampandriana fahalemana ny tany sy ny fikajiana ny tontolo iainana sy ny mahaolona ny lohahevitra hodinihin’ny mpandray anjara rehetra ka tsy mampino ny hiheverana fa tsy hitondra ninoninona ho an’i Madagasikara ny fivoriana ankoatr’ireo fotodrafitrasa hijoro. Manoloana ireo fandaniana vola be amin’ny fandraisana ity fivoriana ity mantsy dia tsy vitsy ihany ireo feo miakatra milaza fa tsy laharam-pahamehana ny fandraisaina azy ity saingy niezaka mandresy lahatra ny Malagasy kosa ramatoa sekretera jeneraly ny amin’ny maha zava-dehibe ny fandraisana azy. Omaly tolakandro ihany koa dia notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny biraon’ny frankofonia eny Ambohitsorohitra hiandraikitra ny aty amin’ny faritry ny ranomasimbe indianina ka nambaran-dramatoa Michaelle Jean fa hisy tetikasa ho fampandrosoana ny vehivavy sy ny tanora ao amin’io birao io.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.