Politique

Fivorian’ny Frankofonia Fahafaham-baraka goavana


  • Talata 09 Aogositra 2016

Ao anatin’ny 3 volana no tsy maintsy hamitana ny fotodrafitrasa handraisana ny Fivoriana an-tampon’ny Frankofonia hatao ny 22-27 novambra ho avy izao.

  Tsy araka izany ny asa fanomanana fa mihisatra tanteraka. Mahakely fanantenana ny hahavitan’ny asa ara-potoana raha dinihina amin’ny fizotry ny asa etsy amin’ny Tanànan’ny Frankofonia Andohatapenaka. Raha atao indray mijery, tsy mananika ny 50%-n’ny asa no vita hatreto. Ny fotoana anefa efa antomotra. Voninahitra no tadiavina saingy ho fahafaham-baraka no ho azo raha ny zava-misy ankehitriny no dinihina. Manginy fotsiny ny vola lany vokatry ny fipingapingan’ny fanjakana. Maneso ny Malagasy ny zava-misy noho ny vahoaka miaina ao anaty fahantrana saingy tsy tsapan’ny mpitondra izany noho izy ireo variana amin’ny fanomanana ity fivoriana ity ka tsy mahita izany fahoriam-bahoaka izany. Hafa ny zava-nisy teto raha nikasa hampiantrano ny fihaonana an-tampon’ny vondrona Afrikanina (jolay 2009) ny fitondrana Ravalomanana satria nanomboka niarin-doha ny toekaren’i Madagasikara ary tsara lavitra noho izao ny fari-piainan’ny Malagasy. Ankehitriny kosa dia hita ho mamingan-tena ny fanjakana noho ny fanaovana di-doha amin’ny fizakana ny tsy eran’ny aina. Sady olana ara-bola no olana ara-traikefa no hita amin’ny fanomanana ity fivoriana ity. Nezahana namboarina maimaika ny lalambe mikodana, hazakazaka arahin-tsosika ny fanorenana ny tranon’ny Frankôfônia etsy Andohatapenaka, miato efa ho herinandro maromaro anefa ny asa noho ny olana ara-bola. Raha ho vita ihany aza dia mety ho betsaka ny tandrevaka hampidi-doza noho ny asa natao maimaika. Tsy mbola misy mandeha amin’izay lanoniny ny fanofanana ireo olona hiasa momba ny harofenitra izay tena saropady amina fivoriana iraisam-pirenena tahaka ny fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia. Mbola mikiry biby ihany hampiantrano io fivoriana io anefa ny mpitondra fanjakana satria dedaka tany am-boalohany fa mahavita azy; ankehitriny anefa efa miloko mena ny tondro rehetra amin’ny fanomanana ary na olona vao mianatra resaka fanamboaran-trano sy mari-trano aza dia mahafantatra tsara fa asa kitoatoa sy tsy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena no mety ho vita ao anatin’ny 3 volana izany.

                                                                                                                                                                         Toky R.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT